- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Tantsaha hividy vokatra voaendaka

Ambodivona : Tantsaha hividy vokatra voaendaka

Mpanendaka ny tantsaha

Vao nivoaka ny fonja dia niverina nanendaka indray. Eo amin’iny manodidina an’Ambodivona iny ny toerana tena fanaovany ratsy ary tsy vao voalohany izy no nigadra fa efa imbetsaka raha ny filazan’ny pôlisy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia herinandro vitsy taorian’ny nivoahany ny fonja no tratra indray i John, fanampin’anarana ahafantaran’ny mpanao ratsy azy. Mampiasa ody gasy izy ary efa ananan’ny polisy ny mombamomba azy rehetra noho izy efa mpamerin-keloka. Tao anatin’ny fotoana fohy izay nahazoany fahafahana rehefa avy nifonja dia efa marobe sahady ny fitoriana tonga teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Nitovy avokoa ny fanamarihan’ny olona momba ilay nahavanon-doza. Natao ny fidinana an-tsehatra ary nampitomboina ny fisafoana ary teo no nahatratran’ny polisy etsy amin’ny kaomisaria Analamahitsy an’i John. Nidoboka am-ponja indray izany noho ny heloka mitovy ary tsy misy afaka ny hiteny fa tena hiova izy rehefa mivoaka any. Raha ny tsikaritra mantsy dia toa lasa fialan-tsasatra ho an’ny mpanendaka ny fonja ary tsy atahoran’izy ireo intsony.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici