
Hafakely ilay paika. Ny 5 septambra teo no nisy hain-trano teny amin’ny faritra Forello Tanjombato. Orinasa sinoa no may ary hatreo dia tsy mbola fantatra ny antony. Rehefa nandeha anefa ny fanadihadiana izay noraisin’ny polisy etsy Tsaralalàna (SUT) taorian’ny fitorian’ilay sinoa dia nanomboka ny fijerena ny horonan-tsary avy amin’ny « vidéosurveillance ». Tsikaritra ny fisian’ny lehilahy iray nivezivezy sy nikaroka zavatra tao anatin’ilay orinasa nandritra ny alina ary sahabo, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Sahabo ho tamin’ny efatra ora maraina dia nampirehetiny ny afo ary nitsoaka teny am-baravarankely izy. Rehefa nozahàna ny peta-tondro manamarina ny fivoahana ny ny orinasa dia hita fa nisy lehilahy iray tsy voamarika tao. Miasa ao ihany izy ary tsy nivoaka ny orinasa tamin’ny ora firavàna fa niafina tao anaty entana. Ny kajy dia ny haka ny karaman’ny mpiasa. Herinandro taty aoriana dia voasambotra tao an-toerana ihany. Niaiky ny helony izy, hoy ny polisy. Mitentina 160 tapitrisa ariary, karaman’ny mpiasa 800 mahery no saika noketrehany nalaina saingy tsy hitany ny toerana nisy azy. Rehefa izany dia nodorany ny orinasa.
D.R