- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Mpanendaka mody mamo, tsy hita ny mpitory

67 ha : Mpanendaka mody mamo, tsy hita ny mpitory

Omaly no natolotra ny fampanoavana ilay lehilahy izay mody mamo ary manendaka ny olona ao anaty fiara. Indrisy fa tsy hita ny mpitory ary dia nanapa-kevitra ny fampanoavana ny namerina ilay olon-dratsy eny amin’ny biraon’ny polisy aloha mandra-pisian’ny baiko vaovao. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny horonan-tsary mahakasika ity mpanendaka iray ity. Mody mianjera eo am-povoan’ny arabe izy ary eo anoloan’ny fiara izay hataony lasibatra ny olona  ao anatiny. Ny namany hafa dia efa mihainohaino eo amin’ny manodidina ary miandry fotsiny dia misintona lakolosy ary manova ny zava-misy ary manentana ny olona hanao fitsaram-bahoaka. Ao anatin’izay izy ireo no manendaka sy maka izay zavatra rehefa eny amin’ireo olona ao anaty fiara sy ny entana mety ho ao anatin’ny fiara. Tamin’ity indray mitoraka ity, izany hoe afak’omaly, dia nisy nahatsikaritra ny fihetsika hafahafa nataon’ireo jiolahy. Olona tao anatin’ny fiara avy aoriana no nahita izany ary nanao izay ho afany mba niaro ireo olona saika voaendaka. Raha tsy izay dia asa izay nanjo ireo mpivady tao anatin’ny fiara tsy mataho-dàlana izay nataon’ny jiolahy lasibatra. Efa voavahan’izy ireo ny varavarana ary raha tsy nanao fehibiko aroloza ny ramatoa teo amin’ny toeran’ny mpandeha, dia efa voasintona nivoaka. Teo dia efa nanomboka nivazavaza ary saika niditra an-tsehatra ireo mpiray tendro tamin’ilay mpanendaka teo amin’ny manodidina. Fa mba sahy nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpamily taoriana izay nahita ary dia tonga hatramin’ny fisamborana ilay olon-dratsy aza. Ny polisy no nanokatra ny fanadihadiana. Tsy hita ny mpitory ary dia naverina eny amin’izy ireo indray ilay olona. Efa ela no nampiaiky ny olona ny momba ireo mpanendaka anaty fiara eny amin’io faritra io. Misy ny manambana basy ary misy koa ny mamoaka sabatra. Izao rehefa voasambotra ny sasany dia averina fotsiny indray, izy anefa dia efa niaiky ny helony ary nilaza fa vao avy nanendaka ny findain’ny mpamily taxi iray teny Ankasina talohan’io.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici