Efa nosamborina izy tamin’ny 2015 noho ny fitorian’ny mpivaro-tena 74 azy. Izao indray dia sarona nanolana zaza tsy ampy taona, niampy fandrahonana tamin’ny fitaovam-piadiana.
Tratra indray i Jimmy, ilay rangahy izay efa nampiteny ny moana ary nivoaka tamin’ny gazety rehetra tamin’ny oktobra 2015. Tamin’izany fotoana izy dia notorian’ny mpivaro-tena miisa 74 teo Analakely sy Tsaralalàna noho ny fandrahonany ho faty azy ireo amin’ny basy. Izany dia mba hialana amin’ny volan’ireo mpivarotra fahafinaretana, ary koa mba haneken’ireo izay sitrapon’i Jimmy dia ny fanitrihana fitaovana hafahafa (hatramin’ny hazo) any amin’ireo vehivavy. Tezitra ny mpivaro-tena tamin’izany fotoana ary nanao fitoriana faobe izay niafara tamin’ny fisamborana an’i Jimmy ; izay mbola nahatrarana basy tsy misy taratasy koa teny aminy. Niaiky ny helony izy raha ny fanazavan’ny polisy misahana ny boriborintany voalohany izay nanao ny fanadihadiana tamin’ny 2015. Nidoboka am-ponja andro vitsy, dia nahazo fahafahana vonjimaika (LP) indray. Nifanakaiky anefa ny andron’ny fitsarana azy sy ny nahazoany LP ary dia tsy nanam-potoana firy niriariavana dia niverina am-ponja indray. Sazy telo volana an-tranomaizina no azony ary izany dia nampimenomenona ny mpivaro-tena izay tena nandraiki-narary, ara-tsaina sy ara-batana tamin’ny herisetra izay nataony. Koa hanao inona ary moa,fa izay no didy navoakan’ny fitsaràna izay toa nitodika kokoa tany amin’ny fitazonana basy tsy ara-dalàna sy ny tsy fananany taratasim-piara tamin’ny fisamborana azy noho ny fanaovana herisetra mety hiteraka fahafatesana tamin’ny mpivaro-tena marobe. Akory ny hatairan’ny mpitandro ny filaminana, raha nahazo antso tamin’ olon-tsotra momba ny fisian’ny fakàna an-keriny sy fanolanana tao Ambohitrombibe, fokontany Andakana, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary ary dia nanao ny fikarohana an’i Jimmy. « Vehivavy roa no nalainy, mitondra fiara Rexton izy, 17 sy 20 taona ireo nataony lasibatra. Tafatsoaka ilay iray 20 taona rehefa norahonany sy nodarohany ary niantso vonjy tamin’ny manodidina. Ilay faharoa kosa, 17 taona, dia nentin’ilay mpanolana nandositra. Taorian’izay, dia tafavoaka koa izy ary nilaza ny lehiben’ny fokontany ny zava-nitranga » raha ny fanazavan’ny kaompania Ambohidratrimo ; izay nanamarina fa

Jimmy tokoa ilay olona. Tsy niandry ela fa raikitra ny fanenjehan’ny zandary azy nandritra ny alina, ary tratra tao Manakambahiny ny fiara izay nentiny, izy kosa tafaporitsaka. « Mbola hita tao anatin’ilay fiara ny akanjo sy ny silipo ary kiraron’ilay vehivavy 17 taona. Nisy antsy sy matrax koa tao » raha ny fanamarihan’ny zandary hatrany. Nitohy arak’izany ny fitadiavana an’i Jimmy. Ny alahady teo dia niantso ny ray aman-drenin’ilay voaolana i Jimmy ka nangataka ny hifampiraharaha ary any an-tranon’i Jimmy any Antaninandro no hatao izany. « Natao ny vela-pandrika rehetra nefa mbola tafaporitsaka ihany ilay lehilahy satria nafenin’ny vadiny. Ny ampitson’iny indray dia niantso ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Ambohidratrimo i Jimmy ary nangataka fifampiraharahana sy raharaham-pihavanana no tanjony, nilaza izy fa vonona ny hanome vola 6.000.000 ariary mba hanaovana kolikoly » hoy hatrany ny zandary. Natao ny vela-pandrika rehetra ary dia sarona ihany ilay olon-dratsy. Nandritra ny fanadihadiana dia fantatra fa avy amin’ny facebook no nifandraisany tamin’ireo tovovavy. « Notambazana finday avo lenta io vehivavy 17 taona io mba hahafahan’izy ireo manao firaisana ara-nofo satria mbola virijiny » raha araka ny fanamarihan’ny zandary. Efa samy tafaverina any amin’ny ray aman-dreniny izy roa ankehitriny. I Jimmy kosa, dia hatolotra ny fampanoavana anio. Tamin’ny 2015 dia nampahafantarin’ny polisy, fa monina ao Nice ity rangahy ity ary mpitam-bola no asany amin’ny orinasa ao an-toerana. Mandalo fotsiny ihany izy eto amin’ny fireneny ary ao anatin’izany no hanararaotany hamoahana ny haratsiany rehetra, indrindra ara-nofo. Mendrika izany ve i Madagasikara ary efa fantatra koa ankehitriny fa mpanao kolikoly izy noho io fijoroan’ny zandary vavolombelona io. Asa indray izay sazy hivoaka ? Ny hany fantatra, dia olona manimba fiarahamonina ny toy izany. Na ny mpivarotena aza niaiky ny hadalany tamin’ny 2015. Arahina ny raharaha…
D.R