- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-Divers67Ha : Efa paikadin’ireo mpanendaka ny mody manao mamo

67Ha : Efa paikadin’ireo mpanendaka ny mody manao mamo

Ilay mpanendaka voasambotra.

« Mody manao mamo izy ireo rehefa manendaka ka ilainy vaniny izay sendra azy. Rehefa raikitra ny ady, dia manararaotra manao ny asa ratsiny izy ireo ». Tsy ilay iraikalahy voasambotra teny 67ha rehefa niseho tamin’ny tambazotra sosialy ihany araka izany ny manao ity teti-dratsy ity, fa efa saika  fomba fiadian’ireo mpanendaka eny amin’iny faritra iny sy ny manodidina iny ity mody mamo ity rehefa hanao ny asa ratsiny. Nisy tovolahy iray 18 taona hafa indray mantsy voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, teny amin’ny manodidina ny Aigle Noir iny, ny talata lasa teo. Tamin’io fotoana io mantsy, dia lehilahy roa handeha hody hariva indray no lasibatr’ity tontakely ity sy ny namany. « Nifanena tamina tovolahy efatra hafa; izay efa mamomamo avokoa. Nosakanan’izy efa-dahy ireo izy roa lahy ireto ary nilany vaniny no sady natositosik’izy ireo ». Tao anatin’izany savorovoro izany amin’izay vao hanehoan’izy ireo ny maha jiolahy azy. Tafatsoaka ihany moa ireo roa lahy ary niantso pôlisy avy hatrany. Tsy niandry ela, fa avy hatrany dia nidina avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy ka mbola indreo eo tokoa izy efa-dahy miandry izay « haza » hafa indray. Vao nahita ireto mpitandro filaminana izy ireo, dia nitsoaka ary nifanenjehana. Ny iray ihany moa io tratra io, fa ny sisa ambiny dia tafatsoaka avokoa. Efa mandeha ny fikarohana azy ireo ataon’ireo mpitandro filaminana. Tamin’ny fanadihadiana ilay iray voasambotra, dia fantatra eny amin’ny « Aigle Noir » ka hatrany amin’ny « Tany malalaka » no « tokotany  filalaovan »’izy ireo. Mila mailo rehefa mandeha harivariva eny araka izany, ary tsara foana ny hananana ireo laharan’ny mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici