- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Jiolahy mpamaky trano voasambotra

Andravoahangy : Jiolahy mpamaky trano voasambotra

Tsy nampoizin-dranamana fa efa nisy nahatsikaritra izy.

Tratra  teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ity lehilahy tokony ho 20 taona tany ho any, isan’ireo mpamaky fivarotana ao Andravoahangy Tsena. Ny alatsinainy teo izy no noraisim-potsiny raha teo am-pamakiana tsena iray, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tany ho any. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisy, dia fivarotana enta-madinika no nataony lasibatra tamin’io fotoana io. « Novakiany ilay rindrin-kazo, ary nosokiriny ireo enta-madinika tao amin’ilay tsena » hoy ny fampitam-baovao. Ny tsy nampoizin’ingahirainy anefa, dia efa tsikaritry ny mpiambina ny asa ratsy nataony. Ity farany no niantso avy hatrany pôlisy raha vao nahita ny zava-nisy ka « noraisim-potsiny teo am-panaovany ny asa ratsiny izy ». Nentina avy hatrany natao  fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny pôlisy ity olon-dratsy ity. Marihana, hoy ny vaovao hatrany fa mbola tratra tany aminy ny entana maromaro nangalariny, toy ny zava-pisotro, sigara amina fonosana maromaro miampy enta-madinika isan-karazany. Izy rahateo kosa niaiky ny heloka vitany ary voalaza fa isan’ireo mpamaky tsena mampikaikaika ireo mpivarotra eny an-toerana ranamana. Efa naverina tamin’ny tompony avokoa moa ny entana.

nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici