Nitrangana sakoroka goavana tao amin’ity orinasa « Gallois » mpanao grafita ao Marovintsy Vatomandry ity; izay hofain’ireo sinoa izany amin’izao ka ireto sinoa ireto indray no mitantana ny fitrandrahana ilay grafita ao Marivintsy ity. Vokatry ny sakoroka tao amin’ity tanàna Marovintsy ao Vatomandry ity, dia enina ireo naratra mafy ka notsaboina tao amin’ny hopitalin’i Vatomandry, roa tamin’ny mpiasa efatra kosa ireo sinoa miasa ao amin’ny fitrandrahana grafita ao Marovintsy ity. Raha ny vaovao marim-pototra voaray avy any an-toerana, dia mitaraina lava amin’ny fahaverezana «gasoil» sy baterian’ny orinasa isan’andro, amin’ny afitsok’ireo mpiambina sivily izay mponina manodidina ihany. Noho izay olana izay, dia nanapa-kevitra ireo sinoa mpampiasa ny fahazoan-dalan’ny « Gallois » mitrandraka ny grafita ao Marovintsy Vatomandry ; izay 15Km miala an’i Vatomandry no misy azy, fa handroaka ireo mpiasa mpiambina zanatany 50 ireo ka hanolo ny asan’izy ireo amin’ny alàlan’ny orinasam-piambenana « ASS » 20 eo monja no isan’ireto mpiambina vaovao ireto. Io resaka fandroahana ireo mpiambina zanatany nasolo ny mpiambin’ny « ASS » ity no niteraka olana, satria raha tonga nitaky ny zony ieo mpiasa, ny alarobia hariva dia fandroahana avy hatrany no nataon’ireo mpiambin’ny « ASS » azy ireo ; ka nanomboka teo ny sakoroka rehetra tao Marovintsy, satria mitaky ny zony ny mpiasa mpiambina ary mitaky ny hanesorana ny « ASS » koa fa maka ny anjara asan’izy ireo fotsiny. Tsy tao Marovintsy loatra no tena nitrangan’ny sakoroka sy ny fifamonoana, fa teny ivelan’ny ity tanàna ity, satria mbola maro ireo sinoa tamin’ireo an-jatony miasa ao Marovintsy mbola nivoaka naka rivotra tety ivelany. Teo no nisehoan’ilay fifampidaorohana teo amin’ireo sinoa sy ireo zanatany ka io niteraka olona enina naratra mafy io ; izay sinoa ny efatra raha zanatany ny roa. Ny alarobia alina nifoha ny alakamisy teo, dia efa nanao izay afany ny Tafika sy ny zandary amin’ny fiarovana ny teratany sinoa sy ny zanatany ary ny orinasa Marovintsy. Milaza ny hanakatona ny orinasa fitrandrahana grafita ao Marovintsy Vatomandry ity, ireo sinoa aloha, ary efa notaterina niala ao Marovintsy avokoa ireo sinoa an-jatony miasa ao, ho fisorohana ny sakoroka manaraka indray sy izay mety ho fifamonoana. Ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny lehiben’ny etamazaoro ny zandary misahana ny Emmo Nat, niaraka tamin’ny Emmo Far eto Toamasina nidina nijery ifotony ny olana omaly tokalandro ka ho hita ny fepetra horaisin’izy ireo amin’izao olona izao.
Malala Didier