
Malaza ao Ampanefena (Vohémar) ankehitriny ny fibodoana tanim-panjakàna ataona mpandraharaha iray manana tany mifanila vodirindrina amin’ny tranompokonolona. Ity farany tokoa mantsy dia nanangana tamboho kanefa araka ny ambaran’ny fokolona dia tafiditra ao anaty fefy ny tanim-panjakàna. Ilay mpandraharaha, izay mirehareha fa mahafantatra olona ambony, kosa anefa dia nanambara fa azy ny tany ary efa voafaritra (vita borne) ara-dalàna.
Ny olana mikasika ity fifandirana ity, araka ny vaovao voaray dia iankinan’ny fiainan’olona maro ilay tany voafefy tsy ara-dalàna. Maro mantsy ireo tantsaha manodidina mivelona amin’ny fambolena kanefa dia miteraka fanelingelenana ho azy ireo ity famefena tokontany ity. Tsy vitan’izany fa rehefa tongan ny fahavaratra dia dibo-drano ny faritra noho io asa io ka mahatonga olana eo amin’ny fambolena sy ny manodidina. Manoloana izany dia efa nandray andraikitra ireo manampahefana toy ny solombavambahoaka, Ben’ny Tanàna sy mpitandro filaminana. Efa nisy mihitsy ny fanakanana ny asa kanefa dia mbola mitohy izany hatramin’izao. Manoloana izany dia miantso ny tomponandraikitra ambony kokoa ireo fokonolona mba hijery akaiky ary handray fepetra entitra mikasika ity raharaha ity.
R.Edmond