
Niaina tao anaty tebiteby tanteraka ireo mponina tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny, ny herinandro teo, indrindra ny tao: Mandritsarakely, Antsoantany sy Ambohimanarina Ambohibary ; izay nolalovan’andiana tovolahy vitsivitsy. Mandrahona ireo mponina mantsy izy ireo, fa raha tsy mahazo izay ilainy dia “hitondra henjana” hanafay ireo mponina. Angamba tsy nahazo izay zavatra nilainy tokoa ry zalahy ireto. Herinandro taorian’io mantsy dia nisehoana trangana tsy fandriampahalemana mahery vaika tao amin’ireo tanàna roa ireo : trano maromaro no vaky sy voatafika ary ambonin’izay dia tsy hamelan’ireo olon-dratsy ireo lasibatra raha tsy voaolana ny vehivavy.
Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ny zandary tany an-toerana ka niompana tany amin’ireo andiana tovolahy nilaza ny “hitondra henjana” ny fikarohana. Tsy ela dia voasambotra izy ireo. Enin-dahy ny totaliny, araka ny fampitam-baovao azo. Samy niaiky avokoa moa izy enin-dahy ireto fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ireo vaky trano sy fanolanana tao amin’io tanàna ireo. Nanampy ireto enin-dahy ireto dia nisy jiolahy noraisim-potsiny, rehefa nanaraka ireto farany ho any amin’ny Fitsarana. Nilaza fa fianakaviana mantsy ileio kanjo nisy iray tamin’ireo lasibatra no nahafantatra tsara azy fa isan’ireo nandray anjara taminy fanolanana azy. Teo no ho eo ihany dia nasain’ny mpitsara mpanao famotorana nosamborina ihany koa ity olon-dratsy ity. Samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa ireto andian’olon-dratsy ireto, ankoatra ny iray izay nahazo fahafahana vonjimaika aloha, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Tsy “naha-henjana” azy ireo tokoa ny zava-nisy.
m.L