- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Telo lahy tra-tehaka saika hanaparitaka vola sandoka

Sabotsy Namehana : Telo lahy tra-tehaka saika hanaparitaka vola sandoka

Mitentina roapolo tapitrisa ariary tany ho any ny vola sandoka nokirakirain’ireto olon-dratsy ireto. Tsy nisy afa-tsy iray tapitra mahery anefa sisa no tratra tany aminy.

Lalam-barotra iray mivelatra dia mivelatra tokoa ny tsena anaty tambazotra sosialy sy ny aterineto amin’izao. Efa maro dia maro ireo olona sy orinasa no misehatra amin’izany. Amin’ny mahabe mpampiasa azy izay, dia anisan’ny tokotany iray filalaovan’ireo olon-dratsy ihany koa io sehatra io. Ny alarobia lasa teo dia telo lahy, mpanaparitaka vola sandoka no tra-tehaky ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Sabotsy Namehana. Raha ny fampitam-baovao azo, dia “amin’ny alàlan’ny fifanakalozana ara-barotra ao anatin’ny aterneto sy ny tambajotran-tserasera no nentin’izy ireo hampidirana sy hanadiovana ilay vola sandoka ao anatin’ny lalam-bola madio”. Nitetim-bidy any amin’ny roapolo tapitrisa ariary tany ho any no voalaza fa efa nokirakirain’ireto olon-dratsy ireto tao anatin’izany, manodidina ny valo alina sy efatra hetsy sy iray tapitrisa ariary anefa sisa sarona tany amin’izy ireo tamin’ny fotoana nisamborana azy. Marihana fa fiparitahana vola sandoka izay rehefa nozohiana dia saika natao tamin’ny fifanakalozam-barotra tao anaty tambazotra sosialy no nahafahana nisambotra azy ireo. Amin’izao, dia “ahiana tanteraka ho mety mihodina any ambadika any ny ambin’ireto vola sandoka aman-tapitrisany ireto” hoy ny fanomezam-baovao avy tamin’ny pôlisy. Mila mailo dia mailo tokoa araka izany. Inoana ihany koa mantsy, fa mety ho tambazotra iray matanjaka ny ao ambadik’ity fanaparitahana vola sandoka ity,ary tsy mijanona amin’izy telo lahy ireto ihany. Mbola eo am-pikarohana izany ny pôlisy raha ny fantatra hatrany. Izy telo lahy kosa natolotra ny Fampanoavana omaly ary heverina fa tsy maintsy ho nadoboka am-ponja vonjimaika.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici