Ny sabotsy teo no natao ny lanonana manokana teo anivon’ny ivon-toerana mpampiofana ho tatsambo, Cefomar, manana ny foibeny ao Salazamay ny famoahana ny andiany roa tamin’ireo mpianatra avy nihofana roa herinandro teo amin’ny momba ny fototry ny resaka asa an-dranomasina. Teo ny andiany “Zoto” izay niofana ny momba ny asa an-tsambo izany aloha (initiation maritime), ka niisa 21 mianadahy izy ireo no nahazo ny mari-pahaizana fandraisana anjara tamin’izany. Teo koa ny andiany “Winner’s” izay niisa 24 mianadahy izy ireo izay avy niofana nandritra ny roa herinandro kosa ny momba ny aro loza an-tsambo sy an-dranomasina (sécurité de base). Raha tao anatin’ny enin-taona nisian’ny Cefomar Toamasina izay, dia andiany faha-36 ireo navoaka niofana momba ny sambo sy ny ranomasina ity; ary andiany faharoa kosa hatramin’izay teo anivon’ny sekoly ny momba ny aro loza an-tsambo sy an-dranomasina. Tao anatin’izay enin-taona nisian’ny Cefomar izay, dia nahazo ny fankatoavana (agrément) avy amin’ny fanjakana amin’ny alàlan’ny Apmf izy ireo izao. irao mari-pahaizana fandraisana anjara mivoaka avy amin’ny ivon-toerana izany, dia anjaran’ny Apmf no mamoaka ny taratasy mifanaraka amin’ny filan’ny mpihofana. Ankoatra izay dia manao antso avy hatrany ny tale jeneralin’ny ivon-toerana, fa natao hoan’ny lahy sy vavy ary ny tanora rehetra ny ivon-toerana ho an’ireo te-hiofana.
Malala Didier