Zazavavy roa, 14 taona sy 13 taona, mpirahavavy no indray naolan’ireo
anadahin-dreniny roa, izay 35taona sy 29 taona tao amin’ny PK 24 mihazo
an’Anosibe an’Ala avy eo Moramanga. Roa herinandro lasa no nisehoan’izany zavatra mamoafady izany. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa mody nandeha nividy akanjo no nitondrana azy roa vavy hiala ny ray aman-dreniny ny 04 jona lasa teo. Voalaza fa tsy mbola niverina izy ireo ny ampitso ka dia nampilaza ny zandary teto Moramanga ireo nahitana
masoandro, noho ny fitaintainana ny tsy fahitana ireo sombin’ny ainy.
Nandray ny andraikiny avy hatrany kosa ireo mpitandro filaminana nametrahana ny fitarainana.
Nahomby ny paik’ady tsara petrak’ireo zandary eto Moramanga, ka tao amin’ny fokontanin’Ampihitra PK 19 no nahatratrarana ireo anadahin-dreniny roa efa nahavanon-doza. Efa bevohokan’ny dadatoany efatra volana ilay 14 taona fa ilay 13 taona kosa tsy maintsy naiditra hopitaly, noho ny fahasimbana nisy tao amin’ny taovany. Natolotra ny fitsarana ny 16 Jona ireo tsy mataho-tody, handray ny tombony tamin’ny toetra ratsy vitany ny mpamarina an-kady.
CATHY
Moramanga : Zazavavy roa naolan’ny anadahan-dreniny roa
Articles qui pourraient vous intéresser