Herinandro lasa izay dia nisy vaky trano nifanesy tao Mangarano – Andranomadio P/elle 11/43 iny. Efa nanao fitoriana sy fitarainana teo anivon’ny polisy momba ireo entany very ireo olona niharan’ny vaky trano, ireo moto nangalarina rahateo ananan’ny tompony sary avokoa, fa ireo vola sy ny zavatra hafa kosa tsy toraka izany. Ny sabotsy teo ary dia hitan’ny tompony nentin’olona tao Mangarano ilay moto scooter, ka avy hatrany dia narahany ny toerana mety hidiran’ilay moto. Vao vitany izay dia nampandre ny polisy ity tompona moto amin’ny toerana misy azy. Natao avy hatrany ny fisavana ny trano ka tsy ilay moto Scooter iray ity fotsiny no hita tao, fa teo koa ity moto Cross iray sy moto Jog iray hafa ihany koa. Raha ny nambaran’ny polisy dia isan’ireo fianakaviana mpiara-miasa amin’ireo jiolahy mpamaky trano izy roa lahy tratra ireto, ka izy ireo no mpitahiriny ny moto halatra azon’ireo andian-jiolahy mpiara-miasa aminy. Izy ihany koa avy eo no mpitady ny mpanjifa amin’ny famarotana ireo moto alohan’ny fanovana ny ambaindainy. Ankoatra izay dia niala maina ireo andian-jiolahy nikasa namaky ity magazain-karana iray ao Ampasimazava. Ireo polisy mpitety tanana no nahatsikaritra azy ireo, nefa vao nahita ireo polisy ireo jiolahy dia nitsoaka avokoa ka navelan’izy ireo teo ny entana efa tafavoakany. Nisy mpiambina ilay magazay saingy tsy afa-nihetsika ny tenany noho fandrahonana azony. Isan’izany ny “Carreaux” marobe sy simetra ary kojakoja fanaovan-trano samihafa. Eo am-pelatanan’ny polisy ireo fitaovana samihafa ireo, saingy eo am-pamerenana azy amin’ny tompony ny polisy amin’izao.
Malala Didier