Nasesin’ny jiolahy ny toeram-pivarotana antsinjarany. Ny alin’ny zoma manodidina ny misasakalina no tonga ireo olon-dratsy miisa enina izay nitondra zava-maranitra. Norahonan’ireo tamin’izany ny tompon’ny tsena izay sady trano fonenana ihany ny ao ambadika na ny ao ambony. Vola mitentina dimy tapitrisa ariary no lasan’izy ireo nandritra ny fanafihana nataony tao amin’ny fokontany roa antsoina hoe Ambohimandray sy Namihana. Nitsoaka tao anatin’ny haizina izy ireo ary tsy nisy azo natao intsony na nisy aza ny fanarahan-dia. Tsy vao voalohany no nisy ny fandrobàna toeram-pivarotana toy izao ao amin’ireo kaominina ambanivohitra ao Manjakandriana. Fantatr’ireo jiolahy ny halaviran’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ary dia io no hararaotiny manao ny asaratsiny. Ny fitsoahana rahateo dia izy ireo no mahafantatra bebe kokoa ny any anaty ala sy kizo noho ny hafa. Tsotra ho azy ireo araka izany ny fanatontosana ny fandrobàna ary matetika ny mpivarotra amin’ireny épicerie ireny no ataony lasibatra. Misy ihany ny tanàna izay efa nametrahana paositry ny mpitandro ny filaminana mba hahafahany mihetsika avy hatrany isaky ny misy asaratsy mitranga. Na izany aza anefa dia tsapan’ny olona fa mbola mila ezaka izany. Toy ny toerana izay hiverenan’ny jiolahy matetika izao dia mila hametrahana avy hatrany mpitandro ny filaminana.
D.R