Anio no hankalaza ny faha-zato taonany ingahy Randriamoria sy ny taranany. Tamin’ny 20 jona 1914 izy no teraka. Dia izao mahatratra ny 20 jona 2014 izao. Raha ny fitantarany, olon-tsotra izy. Na izany aza anefa dia nanana ny zavatra nanamarika ny fiainany nandritra izay toana maro izay. Fito lahy sy fito vavy ny zanany. Tanterany ny tsodranon-drazana fahiny ny amin’ny hanana taranaka maro. Eo amin’ny 40 ny zafikeliny ary 16 ny zafiafiny. Tamin’ny resaka nifanaovana taminy no nilazany fa “Andriamanitra no nahaela valona azy”. Mpanjaitra no asa namelomany ireo vady aman-janany. Anisan’ny havanana tamin’izany ny lehilahy, hoy ireo izay natoky azy. Maro ny olona tonga mitady an’i Dadabe, minisitra, mpanakanto sy ny hafa tia haingo. Tsy nataony ambanin-javatra tokoa izany asa fivelomany izany. Efa mahery ny 90 taona izy vao tsy afaka nanao intsony. Fony fahatanorany, ny mandihy no tena fialamboliny. Manampy izany ny fitiavany mandeha mijery ny hankaton’ny tontolo. Ireo toerana manan-tantara no tena ankafiziny. Fantatr’ireo taranany izany, ka vao tsy ela akory izay no nentina teny anaty Rova izy. Nasaina nandeha niakatra tohatohabato ary dia mbola vitany soa aman-tsara izany. Noho ny fahanterana anefa, efa somary misy fahatarana sy fahasimbana ny masony sy ny sofiny. Fa ny tena mahavariana amin’ity Dadabe ity, hatramin’ny niainany, tsy dia tia sakafo matsantso izy, hoy ireo zanany. Tsy tia rano tsotra fa ny ranomboakazo no tena ankafiziny. Anio, hisy ny fety hataony miaraka amin’ireo taranany sy ny havany. Fotoana izay hatomboka amin’ny fanompoam-pivavahana. Dia hapetrany amin’ny “fitiavan’Andriamanita hatrany ny fiainany”.
Nangonin’I r.s.