- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : Maty nokapainy antsy lava teo amin’ny hatony ny reniny

Antalaha : Maty nokapainy antsy lava teo amin’ny hatony ny reniny

Tovolahy iray 16taona, mpianatra kilasy fahatelo amin’ny CEG ao Lanjarivo ary monina ao amin’ny fokontany Mangatsahatsa – kaominina Lanjarivo – distrika Antalaha., no nahavita nanapaka ny hatoky ny reniny niteraka azy tamin’ny antsy lava lela. Mpividy lavanila madinidinika ny renin’ity tovolahy ity. Indray harivariva amin’ny fito ora alina, dia nambarany an-dreniny hoe  » mitondra lavanila amidy ary amparan-tanana ary ilay olona mpandeha eo aminao iny ». Notohizany avy teo hoe: « Miandry an’i Neny ho tonga ary am-paran-tanana ka mitondra vola 200.000Ar i Neny mandeha any. Andao haterinay any ianao raha ho any ». Natoky izany ilay renin-jaza fa zanaka nateraka ary mbola zanaka taizaina eo am-pofoany ka nekeny avokoa ny teniny. Rahefa vonona ilay ramatoa dia notaominy ilay zanany sy ny namany hamonjy ny toerana nolazain-janany. Maizina moa ny lalana holalovan’izy ireo na dia efa fantatra ny toerana nolazaina dia ny renin-jaza mitondra “lampe de poche” hatrany no nitari-dalana nankany. Rahefa tonga talohaloha dia nanontanian-dreniny hoe  »aiza moa izy ireo izany tsiagna [ ny teny hoe  »tsiagna » dia fiitenim-paritra aty ka teny fampiasan’ny raiamandreny amin’ny zanany na olona hafa ambany taona io teny io]  » Ao alohaloha kely ao » hoy ny navalin-janany. Raha efa nandeha taloha kely taorian’izay izy telo dia notsatohan’ilay zanany antsy lava teny an-tanany ny hatoky ny reniny. Lavo nihohoka teo amin’ny tany ilay ramatoa ary mbola nasiany fanindroany ka maty teo no ho eo. Nalain’ilay zanany ny vola 200.000Ar teny amin-dreniny ka nomeny 80.000Ar ilay namany fa notazoniny ho azy kosa ny 120.000Ar. Nandeha tany amin’ny renibeny izy avy teo ka nanontaniany hoe  » tsy aty aminao aty ve i neny fa niara-dia nandeha tary an’anona tary izahay nefa teo ihany dia tsy hitanay ny nanjavonany, nefa izy mitondra volabe 200.000Ar tokony hividianana lavanila tany. Taitra noho ny fanazavan’ilay tovolahy tamin’ny andro alina iny ilay renibeny ka tsy nangataka andro fa tonga dia nitsangana sady niantso olona vitsivitsy ary nandeha. Ny tovolahy, zanak’ilay ramatoa novonoina, no nitari-dalana teto, satria voalazan’ilay tovolahy rahateo fa niara-dia izy sy ny reniny nandeha tany vao nanjavona ilay reniny. Tsy ela taorian’izay dia tojo vatan’olona ny «lampe de poche». Raha nanatona tery izy rehetra dia nahita vehivavy mirandrana mihohoka amin’ny tany. Tanaty lobolobo tany ny lohan’ilay maty. Ny ahiahin’izy ireo an’ilay zanany tamin’ny fanazavana nataony no nanosika azy ireo nisambotra an’ilay tovolahy sy niantso an-telefaonina ny zandary tao Antalaha izay nasaina ho tonga haingana. Tonga tamin’ny môtô iny alina iny ihany tokoa ireo zandary ka nasain’ilay zandary mba hitondra azy miala haingana tany sao hiharan’ny alahelo sy ny fitsaram-bahoaka sy ny fianakaviana. Lasa nentin’ny zandary tamin’ny môtô niala tany tokoa ilay tovolahy.

Nanondro ny rainy. Nanondro an-drainy ho nahavita io heloka bevava io ilay tovolahy, nefa efa nisaraka elabe tamin-dreniny ary efa naka vady hafa izy taorian’izany ary mbola renoky ny torimaso eo ambony fandrian’izy mivady izy tamin’ny fahatongavan’ny olona hisambotra azy. Mbola ilay vehivavy vadiny no namoha azy teo am-pandriana. Nambarany koa ny anaran’ilay tovolahy niaraka tamin’izy ireo, izay tompon’ny antsy lava lela nentiny sady namelezany an-dreniny. Fantatra amin’izao fotoana izoa fa efa migadra izy roalahy nahavita ny heloka.

REMI, Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser