Namoy ny ainy ny lehilahy iray tanatin’ny hain-trano ; izay nitranga tetsy Andrefan’i Mananjara. Raha ny fanazavan’ny olona dia mipetraka amin’ny trano hazo izay naoriny teo an-toerana izy. Nirehitra izany noho ny antony tsy fantatra, ny alin’ny alatsinainy teo. Efa niledaleda ny afo vao nisy nahita ary neazahana ny niantso maika ny mpamonjy voina no sady nanondraka rano ny toerana. Maty ihany ny afo kanefa efa olona kila forehitra sisa no hita tao. Nentina teny amin’ny tranom-paty tetsy amin’ny hopitaly Hjra ny razana, ny alin’iny ihany. Tsy mbola nisy fianakaviany nijery azy na naka hatramin’ny omaly.
D.R