Dahalo rain-dahiny iray, isan’ny nampitondra faisana iny distrikan’i Betroka sy ny manodidina iny no voasambotry ny zandary tany an-toerana. Sarona teny aminy ihany koa ny basim-borona iray niaraka tamin’ireo moara (ody gasy marobe) fentiny manao ny asa ratsiny. Mbola misy roa kosa, araka ny fampitam-baovao azo no karohina fatratra amin’izao fotoana io; izay voalaza fa lefitr’ity voasambotra ity. Raha ny loharanom-baovao, dia avy nanafika tao amina tanàna iray tao amin’ny kaominina Beapombo II izy ireo. Nisy iray hafa aza fantatra, fa maty notifirin’ny tompon’omby tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana. Taorian’io fanafihana io, dia nanao fitarainana teny anivon’ny Fitsarana ilay tompon’omby voatafika. « Fantatra mantsy ireo dahalo nanafika taorinan’ny fangatahan’ny havany ny fatin’ilay iray lavo teo am-panaovana ny asa ratsiny ». Nanome alàlana ny zandary tany an-toerana ny teo anivon’ny Fitsarana ny hisamborana avy hatrany ireto olon-dratsy efa fantatr’endrika ireto; izay isan’ny tompon’antoka tamin’ilay fanafihana tao Beapombo. Ny iray tamin’ireo olon-dratsy ihany anefa no io voasambotra io, raha tafaporitsaka ny roa ambiny. Tsy mikely aina tokoa ireo mpitandro filaminana any amin’iny faritra, izay voalaza fa mena amin’ny resaka asan-dahalo iny, amin’ny famongorana hatramin’ny fakany ity asan-dahalo ity. Saingy ao ireo tena miasa ary ao kosa ireo lasa manampatra ny fahefana; izay ananany. Hany ka velon-taraina tsy fidiny ireo niharan’izany. Toy ny zava-nitranga tao amin’ny fokontany Taperapia, kaominina Tsaraiso, distrika Betroka, ny voalohandohan’ny volana teo. Ny saonjo iray lohasaha tokoa tsy hilaozan’izay hamarara, hoy ny fitenenana. Voalaza, fa efa tafapaka any amin’ireo tompon’andraikitra ny toe-javatra toy io ary efa misy ny fanadihadiana sy fandraisana fepetra nifandraika tamin’izay. Na izany aza anefa, dia miantso fiaraha-miasa amin’ireo mponina hatrany ireo mpitandro filaminana, hahafahana miara-mametraka tsara izay fandriampahalemana izay. « Isany manampy betsaka ny zandarimariam-pirenena aty Betroka moa , ny fiverenan’ny fitokisam-bahoaka azy ireo , izay miteraka fahazoam-bokatra matetika », hoy ny vaovao.
m.L