Nahitana fatin’olona indray ny reniranon’Ikopa. Roa mihitsy aza ny razana hitan’ny olona nitsingevana tao omaly. Ny voalohany tetsy amin’ny manandrify an’Anosizato. Izy io dia rangahy ,raha ny fitantaran’ny olona dia 44 taona. “Mipetraka eo amin’ny manodidina eo ihany izy. Raha ny fahafantaranay azy dia niady tamin’ny vadiny. Nanomboka teo dia tsy hita mandrak’izy izao natsingevan’ny ranon’Ikopa izao” raha araka ny fitantaran’ny olona sasany teny an-toerana. Heverina arak’izany hatreto fa olana ara-pitiavana no nitarika ity fahafatesana ity. Na izany aza anefa dia tsy maintsy nozahan’ny manampahaizana ny razana, mba hahafantarana na namono tena izy na koa nisy namono, lalana tsy maintsy arahina rehefa misy ny fahafatesan’olona. Tonga nijery teny arak’izany ny mpitandro filaminana sy ny BMH talohan’ny nitondrana ny razana teny amin’ny tranompaty. Mbola omaly ihany koa no nahitàna lehilahy iray izay heverina fa mbola tovolahy, manodidina ny 20 taona eo, mbola natsingevan’ny ranon’Ikopa ihany koa teny amin’ny manodidina ny làlana Digue izay manoloana ny hopitaly vaovao. Io indray dia tsy mbola fantatra mazava ny antony nahitana azy tao. Tsy nisy nanan-kevitra ny momba azy ny olona teo an-toerana, hany ka tsy voavaly ny tombatombana na namono tena izy na koa nisy namono dia nariana tao Ikopa. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo nijery ifotony ny razana talohan’ny namindrana toerana azy.
D.R