- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Tokantrano voaroba tamin’ny basy vita gasy

Arivonimamo : Tokantrano voaroba tamin’ny basy vita gasy

Tsy alim-be akory fa manodidina ny tamin’ny sivy ora sy fahefany alina no tonga ny jiolahy. Tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Ambohibe, ao Arivonimamo no nitranga izany. Fito lahy izay mitondra basy vita gasy no tompon’antoka. Mba tsy nisy ny herisetra nianjady tamin’ilay fianakaviana. Tsy nisy rahateo ny fikasàna hamaly avy amin’ny notafihana ary dia samy nanao ny asany teo. Ny andaniny nandroba ary ny ankilany nipetraka nanaraka ny baikon’ny jiolahy. Tao anatin’ny minitra vitsy dia vita ny fanafihana. Lasa tamin’izany ny vola izay mitentina iray tapitrisa ariary ary ny findain’ireo olona tao an-trano. Vita izay dia niala moramora, tsy nihazakazaka akory ireo olon-dratsy ary nianavaratra ny tanàna ny dian’izy ireo raha araka ny fanamarihan’ny iray trano. Mbola mampirongatra ny asan-jiolahy any amin’ny tontolo ambanivohitra ny fisian’ny basy vita gasy. Efa betsaka ihany ny voasambotra ary koa nopotehina ny fitaovana rehetra izay fanamboarana izany, fa mbola misy ihany ny basy mivezivezy. Hatramin’ny bala aza dia efa misy mahavita izany koa ireo olon-dratsy. Tsy ny dahalo akory no mampiasa an’izany fa ireo mpandroba tokantrano sy toeram-pivarotana. Ny an’ny dahalo mantsy dia ny basim-borona hatrany no tena manavanana azy ireo ary vidiany lafo. Na izany aza dia samy fitaovam-piadiana mahafaty avokoa ireo ary mila hamafisina ny ady amin’ny fiparitahan’izany avy amin’ny fampitomboana ny fisavàna.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici