Nisavoritaka ny teo anivon’ny kaominina ny alatsinainy teo raha nahita fa nanjavona tao amin’ny kaominina ireo tandrok’elefanta roa izay fanomezana avy amin’ny fanjakana kenyana an’i Toamasina ny taona 1963, tao anatin’ny foara iraisam-pirenena nokarakarain’ny ben’ny Tanana Bezaka Alexis tamin’izany fotoana izany. Raha ny zava-nisy dia nesorina tamin’ny toerana nametrahan’i Bezaka Alexis azy ilay tandrok’elefanta roa ireto, tamin’ny fotona hoe hamboarina ny lapan’ny tanana. Nony vita anefa ilay lapan’ny tanana dia tsy niverina tamin’ny toerany intsony ireto tandrok’elefanta avy amin’ny fanjakana keniana ireto, fa natao toy ireny entana tsy misy ilana azy (débarras), ka natao tamin’ny toerana iray nifangaro tamin’ireo fitaovana efa tsy ilain’ny kaominina intsony. Taty aoriana anefa nisy nahatsikaritra ilay tandrok’elefanta tena izy fa natao dika mitovy avy any keniana ity, ka nisy mpiasa tao amin’ny kaominina izay mahalala ny vidiny sy lanjany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenana ary ireo mpanjifa izany any sina, nangalatra izany. Tsy fantatra mazava ny fe-potoana tena nahaverezany, fa ny alatsinainy teo no nisy nahatsikaritra ny tsy fahitana azy ny teo anivon’ny kaominina. Fanontanian’ny olona amin’izao ny hoe, “fanahiniana ve ny tsy nemerenana azy taorian’ny fahavitan’ny lapan’ny tanana mba hahamora ny fangalarana azy?”; ao koa ny milaza fa “tsy ho mpiasa madinika ao amin’ny kaominina no mahavita izao fa ireo mahalala tsara ity tandrok’elefanta ity any ivelany”. Efa mandeha ny fanadihadiana anatiny eo anivon’ny kaominina, alohan’ny hametrahan’izy ireo fotoriana ara-panjakana ara-dalana momba izao fahaverezana tandrok’elefanta fanomezana ho an’i Toamasina izao.
Malala Didier