- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Bal niafara tamin’ny fahafatesana

Ambatolampy : Bal niafara tamin’ny fahafatesana

Raikitra ny fifampikasihan-tànana. Nisy alim-pandihizana izay fizaram-pifaliana nokarakarain’ny mpanambady. Nisy ny lonilony izay nivoaka tampoka tao anatin’izany saingy tsy teo no ho eo dia niantomboka ny ady. Rehefa hamonjy fodiana ny raim-pianakaviana iray izay avy ao amin’ilay fety dia nandrasan’ny vatan-dehilahy maromaro. Teo dia nanomboka ny herisetra izay nitarika fahavoazana lehibe. Ilay rangahy izay efa feno ratra sy efa an-dàlan’ny tsy mahatsiaro tena intsony no hitan’ny vadiny. Natao izay vonjy aina maika teo. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay rangahy ary na teo aza ny fialàna nenina rehetra dia namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana. Tany Ambohirina, fokontany iray eo anivon’ny disitrikan’Ambatolampy, no nisian’ity herisetra nitarika fahafatesana ity. Nanokatra fanadihadiana ny zandary izay misahana iny fari-piadidiana iny, rehefa avy nijery ny razana niaraka tamin’ny dokotera mpizaha ny maty. Niainga teo ny fihainoana ny olona sy ny manodidina ary izany dia nitarika ny fisamborana lehilahy dimy izay mbola misy tsy ampy taona ny iray amin’ireo. Raha zohina amin’izany dia nisy tambabe nihatra tamin’ilay raim-pianakaviana ka nitarika ny famoizany aina. Nametraka fitoriana ny vadiny noho ny vonoan’olona niniana. Tsy vao voalohany no nisy ny adiady sy rombo tao anatin’ny fetim-pianakaviana toy izao. Efa betsaka ihany ny tsindrona antsy tao anaty famadihana, ady tao anatin’ny famoran-jaza ary koa ny fifamaliana anaty mariazy. Ny tena antony matetika dia ny fisian’ny zava-pisotro diso tafahoatra hany ka ny samy ao anatiny aza dia lasa mafibe avokoa ary raha vao misy tsy ifanarahana dia raikitra ny ady. Antony faharoa koa ny fisian’ny olon-kafa miditra ao anatin’ny fety. Io koa dia tena sarotra ny fandaminana azy satria sady tsy mpihavana. Matetika mihitsy no manadino tanteraka ny sasany fa fety fanomezam-boninahitra no atao noho ny toaka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici