Niampatrapatra indray ny faty tany amin’iny faritra Ihorombe iny vokatry ny fanafihan-dahalo tao amin’ny tanana iray tao Satrokala, ny marain’ny alakamisy lasa teo. Fito ireo olona namoy ny ainy. Fantatra fa ny enina tamin’ireo no anisan’ireo dahalo nanafika ilay tanana, fa ilay olona iray kosa dia avy aty amin’ireo fokonolona voatafika. Ambonin’ireo namoy ny ainy dia fantatra ihany koa tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao azo fa nisy olona telo hafa naratra mafy vokatr’izay fanafihana izay.
Tao amin’ny tananan’Adabomaro, fokontany Miary/Fanatoliza no nitrangan’ity fanafihan-dahalo mahery vaika ity, raha mbola tsy niposaka akory ny masoandro. Andian-dahalo maromaro, nirongo fitaovam-piadiana no nikasa hanafika an’ io tanana io. Tsy nanaiky nolembenana tamin’izany fanafihana ny tananany izany anefa ireo fokonolona, izay marihana fa efa nahazo fiofanana manokana mahakasika ny fiarovan-tena, na ny hoe « système de l’auto-défense villageoise », izay nampianarin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana. Raikitra teo araka izany ny fifandonana ka io nahafatesana dahalo enina io, ary olona iray kosa no maty ary telo no naratra tamin’ireo fokonolona. Rehefa hitan’ireo malaso fa tsy resy tosika ireo fokonolona niaro hatramin’ny farany ny fananany dia nitsoaka ireo dahalo sisa tsy maty. Taorian’izay vao niantso ny tobim-paritry ny zandary tao Satrokala ireo fokonolona. « Efa vatana mangatsiak’ireo dahalo sy solontenam-pokonolona iray no novantanina», hoy ny filazan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Rehefa natao moa ny fanadihadiana dia voamarina fa dahalo saika hanafika marina izy ireo. Nankasitraka ireo fokonolona ny amin’ny fahavononany hiaro ny faritra misy azy ireo ireo tompon’andraikitra, ary nanazava fa tsy azo sokajiana ho fitsaram-bahoaka ny toe-javatra takaka izao fa fiarovan-tena ihany. « Ohatra tsara izay efa nanentanana sy fampianaran’ny Zandarimaria tany amin’iny faritra iny ny fiarovan-tena tahaka izao ao anatin’ny atao hoe « système de l’auto-défense villagoise » na dia namoizana aina iray sy naharatràna olona telo aza. Tsy midika velively izao fa fitsaram-bahoaka fa fiarovan-tena voafaritry ny lalàna manan-kery», hoy hatrany ny fanazavàna.
m.L