Lonilony tsotr’izao sa hoe tena mafy tokoa izany tsy mahazo revy avy amin’ny namana izany ka niafara hatramin’ny famonoana azy ho faty mihitsy ? Tany Nosy Be no nitrangan’ity vono olona feno habibiana ity, ary olona efatra no efa voasambotry ny zandary vokatr’izany, ny faran’ny herinandro teo.
Rehefa avy nodarodarohana, dia notsatotsatohana antsy ny fony, izay no nitarika ny fahafatesan’ity tovolahy tao Ambatoloaka, ny sabotsy lasa teo. Naman’ity farany ihany no nahavita ity heloka bevava ity. Tamin’ny fanadihadian’ireo zandary tany an-toerana, dia nahafantarana fa vokatry ny tsy fanomezan’ity tovolahy maty ity toaka sy sigara an’ireo namany no anton’ny famonoana. Mpirahalahy ihany ireto voasambotra ireto, hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary, ary 26 taona ny zokiny raha 15 taona kosa ny zandriny indrindra. Ity farany no nanatsatoka antsy ny fon’io tovoahy io, hoy ny zandary, raha ny namono sy nikapoka ireo zokiny. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia mpianatra avy any Diego ny roa lahy, izay tonga niala sasatra tao Nosy Be. Ny roa hafa kosa dia samy mipetraka ao an-toerana avokoa, ny iray mbola mpianatra ihany koa ary ny iray efa mpirenireny sisa. Ankoatra azy efa-dahy mpirahalahy ireto, dia fantatra ihany koa araka ny fanazavana azo avy tamin’ny zandary hatrany fa nisy tovovavy telo hafa, voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo. « Nahatrarana hafatra nanohintohina ny famotorana tao anatin’ny findain’izy ireo nampilefa haingana ireo nahavanon-doza ». Mbola mandeha moa ny fanadihadiana azy efa-dahy amin’izao ary hoentina eto ihany ny tohin’ity raharaha ity.
Amin’izao fotoana izao tokoa, dia mora mahavita habibiana tsy roa aman-tany ny olona, noho ny zavatra tsy misy dikany. Ny rehetra angamba dia samy nahatadidy ilay tranga tetsy amin’ny 67ha : ilay lehilahy novonoin’ny namany ihany koa tsy namalan-kira tanaty « karaoke ».
m.L