Tonga hatreny amin’ny Sampan-draharaham-pitsaràna misahana ny ady amin’ny kolikoly ny raharaha ady tany hifandrohitan’ny orinasa Madim sy ireo fianakavian’Itpkl Monja J., mahakasika tany iray, mirefy 2930 m² ao Toliara ao. Raha ny fanazavàna nomen’ireo solon-tenan’ilay orinasa izay nihaona tamin’ny mpanao gazety mantsy dia voamarik’izy ireo fa misy kolikoly avo lenta sy fanamparaham-pahefana amin’ny alalan’ny fanindrina ireo tompon’andraikitra samihafa (trafic d’influence) ataon’ny ankilany, ao ambadika ao. « Manginy fotsiny, hoy hatrany ireto solon-tenan’ny orinasa ireto ny ramatahora mihatra amin’ireo vadintany ao Toliara». Fantatra mantsy, araka ny voalazan’izy ireo hatrany fa « nisy didy nivoaka ny zoma lasa teo, izay manome vahana anay. Ny mahagaga anefa dia mbola tsy an-tanan’ny mpisolo vava akory ilay izy, dia efa mandeha sahady ny fanoherana ilay didy sy ny fampitahorana ireo vadin-tany tsy hanatanteraka izany. Voalazan’ny lalàna manan-kery anefa fa raha tsy an-tanan’ireo mpisolo vava roa tonta ny didy, tsy misy afaka manohitra». Marihana fa « tany novidiana ara-dalàna araka ny taratasy fifampivarotana ny 01 jolay 1999 io tany io ary nisoratra tamin’ilay orinasa». Nanomboka nitranga anefa ny disadisa rehefa nisy didim-pitsaràna nanala ny titra maha an’ilay orinasa ny tany ny volana jolay 2018. Ambonin’izay dia lasa voasoratra tamin’ny anaran’ireo fianakaviana voalaza etsy ambony ilay tany. Ny antony dia voalaza fa efa « nisy fifampivarotana teo amin’ny tompon’ny tany taloha sy ireto fianakaviana ireto ny taona 1965 ». Izay zavatra tsy mitombina akory araka ny hevitr’ireo solon-tenan’ilay orinasa. « Fifampivarotana anatiny, izay tsy voarakitra ara-dalàna (sous-seing privé) akory. Rehefa natao ihany koa ny fanamarinana dia hita fa misy tsy fahatomombana eo amin’ny sonia. Manaraka izany ihany koa dia somary hafahafa ihany, fa tao anatin’ny fotoana fohy monja loatra, (12 andro taorian’ny fivoahan’ilay didy) dia efa voavadika amin’ny anaran’izy ireo ilay titra». Tranga izay ahiahian’izy ireo ho misy ambadika kolikoly. Izany rehetra izany no nitondràn’izy ireo ny raharaha teny anivon’ny Pac ary nitoriana ireo rehetra mety ho nandray anjara tao anatin’izany. Hatreto anefa aloha, raha ny voalazan’ireo solon-tenan’ny mpitory hatrany dia saika mihemotra foana ny fotoam-pitsaràna noho ny tsy fahatongavan’ireo olona voatory.
nangonin’i m.L