- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Lasibatry  ny mpisoloky ireo trano fandraisam-bahiny lehibe

Toamasina : Lasibatry  ny mpisoloky ireo trano fandraisam-bahiny lehibe

Nirongatra ny fisolokiana avo lenta teto Toamasina tao ho ato izay, ka raha ny fanazavan’ny zandary dia ny tamba-jotra “airtel” no tena ampiasain’ireo mpanao izany fisolokiana avo lenta izany. Efa trano fandraisam-bahiny maromaro sy olon-tsotra maromaro no efa tratra momba izany araka ireo fitoriana sy fitarainana tonga eo anivon’ny zandary, amin’izao fotoana. Toy izao ny fomba fanaon’ireo mpisoloky avo lenta ireto mandritra izany: voalohany ao ireo milaza mahita “sera” na “bizina” na “afera” vatosoa na fampisamboram-bola haingana tsy misy zanany na vokatra hafa indrindra ireo vokatra fanondrana, dia no an-delemilemeny ny olona tiany ho fitahina ka raha manaiky ny fendresen-dahatrany ilay olona dia ahazoany vola an-tapitrisany amin’izay fotoana izay nefa ny vokatra tsy misy akory avy eo. Ny faharoa dia ny fampiasana mpivahiny maro be hiditra trano fandraisam-bahiny ary efa hanaovan’ny iray amin’ireo mpisoloky avo lenta famandrihana mialoha amina trano fandraisam-bahiny iray. Tampoka eo anefa, dia milaza fa misy olona (tra-doza, na simba fiara an-dàlana) ireo olona maro be hivahiny amina trano fandraisam-bahiny ireo. Eo no manomboka ny fisolokiana, satria maka vola an-tapitrisany amin’ilay tompona trano fandraisam-bahiny izy ireo hanavotana ireo olona tojo olona an-dàlana nefa tsy misy akory. Aorian’izany dia tsy hita izy ireo ary efa tsy mandeha intsony ny “puces” nampiasain’izy ireo nandritra izany. Tena tamba-jotra henjana ireo manao azy ity ary nomarihan’ny zandary nanome ny fanazavana, fa hatreto aloha dia ny tamba-jotra “Airtel” no tena lasibatra amin’izao fisolokiana avo lenta izao. Efa manjono moramora ireo anaty tamba-jotra ny zandary amin’izao amin’ireo fitaovana eo am-pelan-tanany, ka ho hita eo ny ho tohiny ao aoriana ao…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici