- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Dahalo telo tra-tehaka niaraka tamin’ny basy « kalach »

Toliara II : Dahalo telo tra-tehaka niaraka tamin’ny basy « kalach »

Nitrangana fanafihan-dahalo tao Belomboka Ampasy, kaominina Miary, distrika Toliara faharoa ny alin’ny alatsinainy, hifoha talata lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy teo amin’ny telo teo ireo olon-dratsy ary nitondra basy mahery vaika, nentina nampitahorana ireo fokonolona. Omby  dimy no lasan’izy ireto tao anatin’izany. Tsy niandry ela ireo zandary tany an-toerana raha vao naheno ny zava-nisy, fa avy hatrany dia nanara-dia niaraka tamin’ireo fokonolona tao an-toerana. Tao amin’ny fokontany Anjamala, kaominina Behompy, no nifankatratra ireo mpanenjika sy ireo nenjehina. Raikitra tamin’izany ny fifandonana. Ireo dahalo moa raha vao nahita ireo olona nanara-dia azy ireo, avy hatrany dia nampiasa ilay basy «kalach » teny amin’izy ireo. Voatery namaly ihany koa ireo zandary tamin’izany. Na dia teo aza anefa ny fifampitifirana, dia tsy nisy ny namoy ny ainy na ny andaniny na ny ankilany. Nilavo lefona kosa ireo malaso ary samy azo sambo-belona avokoa. Azo ihany koa ilay basy mahery vaika teny am-pelan-tànan’izy ireo ary  tafaverina tamin’ny tompony ny omby. « Rehefa natao ny famotorana, dia fantatra fa dahalo avy any Magnamby, Maromiandra sy Ankatsadava, Andranovory ary Behena,Vineta izy ireo ». Na dia efa voasambotra avokoa aza ireo olon-dratsy, dia mbola ezahan’ireo mpitandro filaminana karohina izay nanome azy ireo ity « kalach » ity, hoy ny vaovao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici