Fiara fitateram-bahoaka mitondra ny marika Sprinter iray hihiazo an’Iarivo raha avy any atsimo no niharan’ny lozam-pifamoivoizana omaly tamin’ny roa ora sy sasany. Teo amin’ny iray kilometatra nivoahana ny tanànan’Ambatolampy, noho ny fisongonana sarety, no nitranga ny loza. Raha ny fanamarihan’ny olona dia nandeha mafy ity fiara ity. Teo amin’ny fidinana, raha nisongona ireo andian-tsarety ny fiara dia nisy fiara iray hafa nifanena taminy. Niezaka niala izany ny mpamily kinanjo nivoaka ny làlana ilay taxi-brousse. Vokany, mpandeha am-polony no naratra ary saika nitondra faisana avokoa ireo nipetraka tamin’ny sisiny havanana. Potika ny fiara. Nentina haingana tao amin’ny hopitalin’Ambatolampy ireo naratra mba hamonjena azy ireo. Ilay fiara izay nifanena kosa dia tsy nisy naninona na ny kely aza. Mbola ny olona tao anatiny aza no nanampy tamin’ny fitaterana ireo marary teny amin’ny toeram-pitsaboana. Noraisin’ny polisy ao Ambatolampy ny fanadihadiana momba ity lozam-pifamoivoizana ity.
Voarisoa Davidson