Ho fampanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eto Antananarivo dsy mba hisorohana ny loza mety hateraky ny tsy fanarahana izany, dia manao hetsika manokana ny avy eo amin’ny Polisy nationaly nanomboka omaly. Izany dia nampitondraina ny anarana hoe « Opération Aro loza » ka iaraha’ireo « Commisssariat » valo misy eto Antananarivo manatanteraka. Arak’izany, ny tanjona dia ny hampianarana hampianarana ny mpampiasa lalana rehetra mba hahay hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Omaly dia nidina ifotony nitarika ny fanombohana izany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Roger Rafanomezantsoa, notronon’ny lehiben’ny Commissariat central,, ny avy ao amin’ny Birgade des Accidents (BAC) ary ny avy eo amin’ny « Inspection générale de la Police nationale (IGPN).. Nisy ny fisavana iny antontaratasin’ireo fiara sy moto nandritra ity hetsika ity ary hita sahady fa ny telo ampaha-efatr’ireo voasava dia nahitana tsy tomombana avokoa. Araka ny fanazavana dia haharitra 10 andro ny « Opération Aro loza ». Manomboka amin’ny 9 ora maraina ka mifarana amin’ny 04 ora hariva no hanatanterahana izany. Nofidiana io ora io mba hialana amin’izay mety ho fitohanana aterany, ary toerana voatokana ihany no hanaovana izany. Irina mba hatao matetika ny toy izao satria mazana no mivahavaha ny fampiharana ny lalàna eto amintsika rehefa ela ny ela.
T.M.