Intelo nirefotra ny basy tetsy Anosibe. Ny harivan’ny alakamisy teo, manodidina ny tamin’ny fito ora no niseho ny fanafihana. Tao amin’ny toeram-pivarotana kojakojan-tokantrano vita amin’ny plastika sy eletronika no nigadona ny enin-dahy mitam-basy. Lasan’ireo tao ny vola maty indray andro. Vola izay mbola tsy voafaritra satria notanan’ny mpitandro ny filaminana ho tsiambaratelon’ny fanadihadiana. Rehefa vita ny asaratsy dia niala tao amin’ilay toeram-pivarotana ireo mpanafika. Somary hafakely indray tamin’ity indray mitoraka ity ny fomba nanakoman’izy ireo ny fandrobàna mba tsy ho voamariky ny olona. Mody niady ireo ary nifanenjika mihitsy. Toa ireny rombo ireny izany. Teo amin’izany rehefa nanomboka nitangorona ny olona dia namoaka basy ireo olon-dratsy ary nanao tifi-danitra. Intelo nipoaka ny basy. Niparitaka tamin’izay teo ny olona ary dia nalalaka araka izany ny lalan’ireo olon-dratsy. Tsy nitondra moto ireo na fiarakodia fa dia nihazakazaka fotsiny ihany. Poa toa izay dia nanjavona tany anaty elakelan-trano maizina tany. Toa ireny efa hain’ireo tsianjery angamba ny toerana hitsoahana sy ny làlana mizotra any amin’izany. Tonga teny ny mpitandro ny filaminana ary niezaka namantatra ny zava-nitranga no koa nanao ny fisafoana ny manodidina. Tsy mbola nisy nipika hatreto ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Samy mbola miezaka mamantatra ny momba ireo jiolahy mba hahafahana misambotra azy ny tompon’andraikitra. Ny tompon’ny tsena koa dia tsy nisy zavatra nambara loatra ary nisafidy ny nangina aloha. Amin’ny fito ora izany dia mbola mifamezivezy tanteraka ny olona eny Anosibe, toerana izay isan’ny betsaka mponina eto an-drenivohitra. Misy ny mbola miantsena hariva ary misy koa ny mamonjy fodiana. Ny fifamoivoizana rahateo dia mbola anatin’ny feno fiara sy moto mandeha eny amin’ny arabe, ankoatra ny sarety. Dikan’izany, maro no nahita mivantana ny fanapoahana basy sy ny fitsoahan’ireo jiolahy. Tsy nisy nieritreritra anefa hoe avy nandroba ireo satria vitany ny nanarona izany tamin’ny alàlan’ny rombo izay namboarina anefa.
D.R