Tokony ho tamin’ny sivy ora alina, ny asabotsy teo, no nirefotra ny basy tetsy Ivato. Izany dia sady nentina nampitahorana ny manodidina no nandemena ny sain’ny olona tao anatin’ilay farmasia koa. Minitra vitsy dia vita ny fanafihana, satria ny vola tao amin’ilay toerana no tena nokendren’ireo olon-dratsy. Vetivety foana koa ireo dia tafatsoaka ary nandamoka ny fanarahan-dia sy ny fisafoana izay nataon’ny mpitandro ny filaminana; izay tsy ela anefa dia tonga rehefa nisy nampandre tamin’ny antso an-telefaonina. Midika izany, fa efa vita tsara ny drafitra nitsoahan’ireo olon-dratsy. Taim-bala roa efa niasa no hita ary nisy fito ambiny izay mbola tsy niasa koa. Tsy voatery hoe latsaka ho azy teo izany, fa mety ho endrika nampitana hafatra koa. Ny tsikaritra dia bala fampiasa amin’ny poteta 9 mm avokoa ireo; izay tsy iza fa ny mpitandro ny filaminana ihany no hany afaka mitazona izany, eto amintsika. Mbola hita amin’ireo bala avokoa ny laharan’izy ireo ary raha tena mandeha lalindalina ny fanadihadiana, dia tokony ho fantatra ny toerana niavian’izany. Etsy andanin’izany, dia tsikaritra fa miverina indray ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato, ary indrindra tamin’ny herinandro lasa teo. Notaterina teto amin’ny gazety ny fisian’ny fanafihana toeram-pivarotana kojakojan-tokantrano tetsy Anosibe, ny alarobia teo. Teo koa dia nampiasa basy ary nitifitra ireo jiolahy mba hampihemorana ny olona izay mety hanenjika azy ireo, ary koa mba nentina niarovana ny fitsoahana. Mody niady ireo mba hanaromana ny fanafihana. Nisy ny nitsoaka be ary nisy ny mody nitifitra. Noheverin’ny olona arak’izany fa olona miady no nitranga, kinanjo rehefa nozohina, dia olona vao avy nanafika. Mivoatra hatrany koa ny asan-jiolahy.
D.R