Hiditra amin’ny andiany faha-15 ny festival Angaredona rehefa avy nitety faritra maro teto amin’ny Nosy. Hotanterahana eto Antsirabe ity hetsika ara-kolontsaina sy zava-kanto goavana ity, ny faha-3 ka hatramin’ny 6 Oktobra ho avy izao. Hizara maro ny toerana hisian’ny fampisehoana ka hanokafana azy ny ao amin’ny Restaurant Razafimamonjy ny faha-3 Oktobra manomboka amin’ny 8 ora alina hiarahana amin’ireo mpanakanto efa fanta-daza, ny zoma ao amin’ny Centre Lovasoa. Ankoatra izay ny Sabotsy tontolo andro ao amin’ny alliance Francaise ary hofaranana ny lahady 6 oktobra manoloana ny gara. Mpanakanto mahafehy ny mozika voiziny sy ny fananany finiavana hizara traikefa no antony iray nisafidianana ireo mpanakanto ireo, hoy Rajery tompon’andraikitra voalohany amin’ny angaredona. Ny ankamaroan’ny mpanakanto amin’ireo mpandray anjara, dia avy eto Antsirabe avokoa. Misy anefa ireo mpanakanto vahiny nasaina manokana ary ho maro ihany koa ny mpamokatra vahiny ho avy raha ny fanazavana. Marihina, fa tanjon’ity hetsika ity ny fifampizarana sy fifanakalozana traikefa na ho an’ny eto an-toerana izany na avy any ivelany. Fantatra, fa efa maro ireo mpanakanto no nivoaka tany ivelany noho ny fisian’ny Angaredona ka isan’ny hampiavaka ity Angaredona andiany faha-15 ity dia hisy mpanakanto 51 mianadahy no hotolorana mari-pankasitrahana avy amin’ny fanjakana. Ny 5 oktobra, dia hisy ihany koa ny “carnaval” hitety ny tanàna hanehoana ny “foko” misy eto amin’ny Nosy amin’ny alàlan’ny taovolo. Ankoatra izay ny varotra fampirantiana avy any amin’ny faritra, izay hatao manoloana ny gara mandritra ny efatr’andro.
Andry N.