- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Mpitaingina moto tapa-tongotra voadonan’ny fiara

Anosy : Mpitaingina moto tapa-tongotra voadonan’ny fiara

Ny zoma antoandro teo, tany ho any amin’ny 2 ora sy sasany tany, no nisy mpitaingina moto cross iray avy any amin’ny lycée Ampefiloha ka hitodi-doha ho any amin’ny HJRA, nifanena tamin’ny taxi-brousse Mazda hihodina fiolahana avy any Anosy hamonjy ny faran’ny fiantsonana etsy amin’ny mpivaro-boninkazo akaikin’ny hopitaly.

Tsy hay izay nahazo ity mpamily ity taxi-be fa tonga dia nivily tampoka niankavia, mbola tsy lasa anefa ity moto ka avy hatrany dia voafaokany, ary nidaraboka tamin’ny tany. Somary ratsy fianjerana ilay mpitaingina moto, satria nahazo ny riran’ny « trottoir » ny ranjony ary mbola notsindrin’ilay moto ihany koa avy eo. Taitra noho izany ity mpamily an’ilay taxi-brousse ka nandositra tsy hita izay nalehany. Ilay mpitaingina moto kosa tsy afaka nitsangana, fa namany nitondra moto hafa no nanakana taxi hitondrana azy eny amin’ny hopitaly HJRA. Mafy tokoa raha ny fijery ny fifandonana, satria sady vaky ny jiron’ilay fiara no nisy pempo ihany koa teo anoloana.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser