Malaso am-polony saika hangalatra ombin’ny tao an-tanànan’i Manambaro no nifanenjehan’ny fokonolona. Voasambotra ny anankiray tamin’ireo. Ny talata teo no nisehoan’izany ary tamin’io fotoana io ihany koa no nanamboaran’ny mpitandro ny filaminana azy. Ny andro tsena rahateo. Tsy nisy alaharo alaharo fa notifirin’ireo mpitandro ny filaminana avy hatrany teo imasom-bahoaka . Toerana iray fandalovana sy fivezevezen’ny olona, sady tsena rahateo Ampandriakoaky, ao amin’ny kaominina Manambaro, no nanatanterahan izany, amin’ny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an’i Fort-Dauphin Amboasary-Atsimo. Tsy vitan’ny notifirina fa mbola nodoroana ka kila forehitra ilay dahalo. Ny lohany sisa tsy may. Na izany aza dia nitadiavan’ny fokonolona hevitra hampanjary lavenona azy ilay malaso. Hasosorana avokoa no tao ambadik’izany. Raikitra ny fifandirana teo amin’ny tompon’ny maty, ankilany, sy ny mpitandro ny filaminana andaniny ny amin’ny fakana ny razana. Fifandirana nisehoan’ny fifandrahonana . Noho ny fifandresen-dahatra, nekena ihany nony farany ny nakan’ny fianankaviana azy. Ny lavenona ihany no nentina mba halevina any amin’ny fasan-drazana. Mbola maro ireo malaso no mihevitra ny hamaly faty noho ity fahafatesan’ny namany ity. Marihina fa maro ireo malaso saingy ny iray ihany no voasambotry ny fokonolona. Famonoana malaso mbola azo itarafana ny fitsaram-bahoaka. Amin’ny ankapobeny, tsy mbola milamina ireo kaominina maromaro any amin’iny distrikan’i Fort dauphin iny.
Rom Farady