- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha « ivoara » very teo Toamasina : Lasa fitoriana eny amin’ny...

Raharaha « ivoara » very teo Toamasina : Lasa fitoriana eny amin’ny fampanoavana indray

Raha nitory ny lefitry ny ben’ny tanana voalohany teto Toamasina teny amin’ny polisy ny kaominin’i Toamasina tamin’ny alalan’ny PDS, dia lasa fitoriana eny amin’ny fampanoavana indray ny raharaha izao noho ny tahotry ny polisy hanao ilay fanadihadiana. Raha ny fanazavana mantsy izao dia anjaran’ny tonia mpampanoa lalana indray izao ny misafidy ireo sampana fitandroana ara-pilaminana hanao ny fanadihadiana ity raharaha “ivoara” very teo anivon’ny kaominina ity. Amin’izao fandehan’ny raharaha izao dia matahotra ny kaominina mpitory no sady tompon’ity “ivoara” very ity fa ho very an-javony ny raharaha satria tena olom-panjakana eto Toamasina ity olona voarohirohy sy notoria’ny kaominina ity, izay mbola lefitra voalohan’ny ben’ny tanana koa teo aloha teto Toamasina, ka iza amin’ireo mpitandro ny filaminana no sahy hisambotra na hanenjika azy amin’izao. Samy miandry izay ho fandehan’ny raharaha ny rehetra amin’ity fitoriana lasa eny anivon’ny fampanoavana ity izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici