- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Voasambotra Rampanarivo, namono ny ben-tanàna tao Manohisoa

Betafo : Voasambotra Rampanarivo, namono ny ben-tanàna tao Manohisoa

Nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny zandary tamina omby very tao Vasiana, distrikan’i Mandoto,  no nahatazan’ny olona tsy nahy an-dRampanarivo, tompon’andraikitra tamin’ny famoana ny ben’ny tanànan’i Manohisoa tamin’ny volana oktobra 2012. Raha tsiahivina, nikasa handeha hividy “mercure” tany amin’ny faritra Bongolava ny ben’ny tanàna  niaraka tamina olona telo lahy, ka ny  roa  mpiambina azy ary ny iray mpitari-dalana. Vola an-tapitrisany maro no nentiny tamin’io, satria nisy nilaza tamin’ity farany fa mahita “mercure”. Fotoana maro anefa no lasa, tsy heno ary tsy hita intsony ilay ben’ny tanàna. Taty aorina, razana efa simba no noraisin’ny fianakaviana tao Betafo. Toy izao ny fitantaran-dRampanarivo namono ilay ben’ny tanàna: “ Niray saina izahay telo lahy ny hamonoana an’Ingahy Maire, ka izy roa lahy nilaza fa  matahotra  ka izaho no namono azy. Nokapaiko ny fibara in-telo Ingahy Maire, teo amin’ny lohany sy teo amin’ny tratrany ary farany teo amin’ny fara-hatony.  Rehefa tapitra ny ainy dia nalaiko ny vola ka lasa aho ary izy roa lahy nanaraka avy ao afarako”.  Nambaran-dRampanarivo fa nozarainy ny  vola avy eo ka  2 tapitrisa ariary no anjarany ary 6 hetsy sy iray tapitrisa ny anjaran’izy roa lahy. Nandositra tany Belobaka izy avy eo ka nijanono tany nandritra ny herintaona mahery. Tsy nanana karapanondro anefa Rampanarivo ka noroahin’ny fokonolana tany an-toerana. Nifindra tany Ankizombola  Vasiana izy avy eo, raha ny fitantarany hatrany, ka voatery nanova anarana hoe Eugene mihitsy mba tsy hanarahan’ny olona azy, raha ny fanazavany hatrany. Notsipihan’ny Cdt Olivier Ranarison, kaomandin’ny kaompania ao Mandoto, fa efa tamin’ny taona 2012 ihany dia efa voasambotra ireo roa lahy voalaza etsy ambony, saingy efa tapitra ny fe-potoana nitazomana azy tany am-ponja ka tsy maintsy navoaka ry zalahy. Nanitrikitrika kosa anefa  Rampanarivo  fa niray tendro tamin’ny famonoana an’Ingahy Maire izy roa lahy ireo.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser