
Misandoka ho mpanamory fiaramanidina eo anivon’ny kaompania Arabo « Fly Emirates » ary milaza ho mahatafiditra « hôtesse » sy « steward » any Dubaï. Misandoka ho olona ambony no sady mpandraharaha ary milaza ho manana vinam-piarahamonina matotra. Io kasikety farany io aza dia nahafahany niditra tany an-dapa, raha araka ny fanamarihan’ny polisy misahana ny raharaha heloka bevava (brigade criminelle) ; izay nisambotra sy nanadihady azy. Manana fanamiana mpanamory izy, mitazona koa basy poleta izay miendrika ho tena izy saingy fanairana no tena asany. Tsy vitan’izay, fa mbola manana ireny jiromanga « gyrophare » ireny izy, ataony amin’ny fiarany. Mbola nisy koa « carte de visite » izay maha-mpanamory, io rahateo no aparitany etsy sy eroa amin’ny asa ratsy izay hataony. Mbola tanora ny lehilahy ary mahay miresaka no mikoja tanteraka ny fijery ivelany koa. Vetivety arak’izany dia betsaka ny roboka sy manaiky azy. Eo aminn’izay no manomboka ny asa fisolokiany. Angalany vola ny olona, indrindra ireo maika ny hiasa amin’ny kaompania lehibe na koa ireo maika ny hiala eto Madagasikara mba hila ravinahitra any an-toeran-kafa. Betsaka koa anefa no voafandriny amin’ny filazany fa mpandraharaha izy ary afaka manafatra fiara tsara tarehy avy any Dubaï. Maro koa ny roboka teo. Notsipihan’ny polisy mpanao fanadihadiana, fa manana fahaizana amin’ny fandrebirebena izy ary koa amin’ny fanova-maso ka izany no mety ho nanamora ny fanatontosany ny fandresen-dahatra nataony. Betsaka arak’izay voalaza etsy ambony ny roboka. Tao ny zatovolahy sy vavy, tao koa ny olona manana ny maha-izy azy. Nitontona teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava ny fitoriana ary nanomboka teo ny fanadihadiana. Ny fanaraha-maso azy sy ny fisavana ny tranony. Sarona tao ny taratasy maro karazana izay hosoka avokoa kanefa mahakasika asa ambony. Tao koa ny odigasy maro izay entina manao fandraikirekena. Efa namoahana didy fampisamborana niaraka tamin’ny taratasy fikarohana izy tamin’ny taona 2010 ary voasambotra tany Toamasina ny taona 2017. Roa taona taty aoriana, dia efa niriaria sahady ary asa indray amin’ity indray mitoraka ity. Betsaka ihany ny voasambotra dia fotoana fohy dia miverina eny amin’ny fiarahamonina indray ary mamono ireo farany. Natolotra ny fampanoavana omaly ilay lehilahy ary nidoboka eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy.
D.R