Very ny hasina maha malagasy, ary simban’ny vola tanteraka ny toe-tsain’ny olona sasany ankehitriny. Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tao amin’ny Fokontany Mahatsara Atsimo, ao an-tampon-tanàn’i Farafangana, renivohitry ny Faritra Atsimo Atsinanana, omaly. Taolam-paty izay taolan-dava avokoa miisa valo nafatratra tao anaty harona « sachet » miloko mainty no nisy nanipy ka hita tao an-tokontanin-dry Mompera. Raha ny vaovao voaray, dia hanavao ny fefy ny tompon’andraikitra tamin’io ka notapahina ireo lobolobo, nefa ireo taolam-paty ireo no hita tao. Nampafahantarina ny zava-misy avy hatrany ny teo anivon’ny Fokontany sy ny mpitandro filaminana, ka tonga nizaha ifotony. Nalaina avy hatrany moa ireo taolam-balo ireo ka nogiazana ao amin’ny Kaominina, ary efa miroso amin’ny fikarohana ireo nahavonon-doza ny Polisim-pirenena izay mandray an-tànana ny fanadihadiana. Etsy andaniny, efa mandeha ihany koa ny fampilazana ny besinimaro izay manana fasana vaky dia manantona Kaominina ambonivohitra sy mampandre ny mpitandro ny filaminana. Raha tsy misy mamaly kosa ny filazana, dia halevina any amin’ny fasam-bahiny ireo taolana ireo, ary atao imasom-bahoaka eo anatrehan’ny manampahefana ny fanitrihana izany, araka ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Eric Manitrisa