Hafakely ny nataon’ilay teratany Kômôriana. Tsy nisalasala izy ny nanatona ny polisy misahana ny fiarovana ny seranam-piaramanidina tao Nosy-Be. Notantarainy avy hatrany ny tanjony dia ny hivoaka an’i Madagasikara ary ho any Italia. Ao anatin’izay anefa dia pasipaoro an’olon-kafa no hampiasainy ary nangataka izy ny mba hamelàna azy malalaka. Ny vidin’izay dia kolikoly mitentina 1.300 euros. « Mody nekena izany kanefa kosa nentina namandrihana ilay olona », raha araka ny tatitry ny polisy. Rehefa tonga teo amin’ny seranam-piaramanidina ary izy ny andron’ny sidina dia noraisim-potsiny tamin’izay. Rehefa nandeha ny fanadihadiana rehetra dia fantatra fa Kômôriana efa lany taratasy teto amintsika izy. Izany hoe, efa lany ny fe-potoana ahazoany mipetraka eto Madagasikara. Tsy vitan’izay fa mbola mampiasa kara-panondro hosoka koa izy ary izany no nahafahany nivezivezy teto amin’ny nosy. Nitombo araka izany ny vesatra nitazomana io Kômôriana io. Izy tenany dia nanoro teratany mitovy aminy ary notazominy ho mpiray tsikombakomba aminy tamin’ny fanatontosana ireo taratasy hosoka ireo. Ankoatra ny fikasàna hanao kolikoly tamin’ny polisy izany dia notazomina noho ny fampiasana hosoka ireo vahiny ireo. Nidoboka am-ponja vonjimaika ao Nosy-be rehefa natolotra ny fampanoavana.
Articles qui pourraient vous intéresser