- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFahamaizan’ny bazary be Toamasina : Herinaratra nitselatra nitarika ny firehetana

Fahamaizan’ny bazary be Toamasina : Herinaratra nitselatra nitarika ny firehetana

May ny bazary be teto Toamasina tokony ho tamin’ny 05ora latsaka fahefahany harivan’ny sabotsy teo, tao anatin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena nikabary teo amin’ny araben’ ny fahaleovan-tena mihitsy, tamin’ny fametahana samboady ireo solombavambahoaka voafidy teto amin’ny faritanin’i Toamasina. Trano fivarotana 23 no  kila forehitra tamin’izany raha tara 45min ny mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina nandritra izany. Maro ireo hevitra nivoaka tamin’izao fahamaizan’ny ampahan’ny tsena tao Bazary be Toamasina izao, fa ny filohan’ny tsenan’ny bazary be nanamafy fa herinaratra no nahatonga ny loza. Nanadio tsena ny mpivarotra tao bazary be ny sabotsy teo ka nihidy aloha ny tsena vokatr’izany. Efa maty avokoa ny herinaratra mampandeha ny bazary be nandritra izany, fa ity mpivarotra enta-madinika iray ity manana ny kaonterany manokana ka tsy namono ny kaonterany. Teo no nisy ny fitselarana voalohany; izay nampipoaka vata fampangatsiahana ka izao niteraka firehetana nahamay fivarotana 23 izao. Saika mpivarotra enta-madinika nifampiankina sy mpivarokena mifanila aminy ary mpivarotra zava-manitra samy hafa nifanakaiky taminy ireto may ireto.Ny alahady maraina dia nanolotra fanampiana ny bazary be ny fanjakana, tamin’ny alàlan’ny Bngrc izay notarihan’ny minisitra Rtoa Naharimamy Irma, ka nanolotra fanitso 120 hanoloana ireo  may; izay nitarika ny tafon-trano ho loaka be.Teo koa ny fanolorana hazo 276 entina hanampiana ireo may kiôska amin’ny fanarenana izany indray, satria tsy maintsy misokatra tahaka ny mahazatra ny tsena ao bazary be anio alatsinainy. Ankoatra izay dia mandeha ny feo eto Toamasina izao, fa misy zavatra tsy mihodina tsara eto Toamasina tato ho ato, satria talohan’ny fifidianana depiote teo dia bazary kely no may, izao hiditra amin’ny fifidianana ben’ny Tanana dia anjaran’ny bazary be indray no may, farany teo teto Toamasina no natao ny taom-baovao Malagasy; izay saika nitera-doza noho ilay tsangam-bato folaka roa tamin’izay fotoana izay.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici