Mirongatra ny asa ratsy sy fanafihana mitam-piadiana any amin’ny Distrikan’i Vangaindrano, ka velon-taraina sy mampiaka-peo amin’ny mpitondra fanjakana ny mponina any an-toerana mandry andriran’antsy lava, ary mangataka izy ireo mba hananganana ny Andrimasom-pokonolona sy hanaovan’ny mpitandro filaminana « ronde » amin’ny alina fa mijaly ny vahoaka.
Raim-pianakaviana iray mpandraharahan’ny fonja avy niasa alina handeha hamonjy fodiana no maty novonoin’ny jiolahy, tao Ampasy avaratry ny « lycée ». Raha ny vaovao voaray, dia nandeha moto ity mpandraharahan’ny fonja ity (Aban’i Kevin) no novelesin’ny olon-dratsy tamin’ny vatan-kazo, tokony ho tamin’ny iray naraina tany ho any, ka nidaraboka tamin’ny tany ary tsy tafatsangana intsony, izay voa mafy teo amin’ny lohany ary potika mihitsy ny ilan-tavany havanana sy ny masony. Raha ny fanazavana azo, dia nitoreo niantso vonjy ity raim-pianakaviana ity, nefa noho ny tahotra tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny olona teo amin’ny manodidina.
Eric Manitrisa