Nandritra ny fifadonana nisy teo amin’ny mpitandro filaminana mampandry fahalemana any amin’ny Distrikan’ Ambohimahasoa (Zandary sy Tafika BIA) sy ireo dahalo mpanakan-dalana mpangalatr’omby am-polony mitam-piadiana, tao Maroavaratra, Fokontany Andrainafototra, any amin’ny Kaominina mabanivohitra Ambalakindresy, ny marainan’ny asabotsy teo, dia dahalo miisa roa no lavon’ny bala tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony. Dahalo telo lahy kosa voasambotra, ary tafaverina ny omby folo avy nangalarin’ireo malaso. Raha ny fanazavana azo, vao niainga kely tao Besora hanao fisafoana amin’ny faritra manodidina ireo mpitandro filaminana no nahazo vaovao fa misy fanafihana ao Maroavaratra. Namonjy ny toerana voatondro ireo mpitandro filaminana izay hary fitaovana tsara sy feno herim-po, ka raikitra ny fifadonana. Karohina fatratra kosa amin’izao ireo dahalo tafaporitsaka, raha atao fanadihadiana lalina ireo telo lahy azo sambo-belona.
Eric Manitrisa