Omaly tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any, trano lehibe iray no nirehitra tetsy Ambondrona, lalana mizotra ho any Faravohitra iny. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia niainga tao amin’ny rihana voalohany ny afo ary niampita nihazo ny rihana manaraka. Voalaza fa vokatry ny court-circuit no nahatonga ny loza. « Tamin’ilay herinaratra tapaka dia niverina tampoka iny ». Marihana fa avotra avokoa ireo olona tao anatin’izany trano izany, raha, zara raha nisy voavonjy kosa ny entana rehetra. Hatramin’ny ora nialànay teny an-toerana, tokony ho tamin’ny sivy latsaka teo ho eo dia mbola nitohy namono ny afo ny mpamonjy voina. (sary Yvon Ram)
m.L