
Rongony mahatratra teo amin’ny 80 gony indray no saron’ny zandary, tao Ranotsara Avaratra, distrika Iakora, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Olona roa, voalaza fa mpamongady an’ity zava-mahadomelina ity no voasambotra tamin’io fotoana io. Angom-baovao azo avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahenoan’ireo zandary ny fisian’io mpamongady rongony io tao amin’ity kaomina iray ao amin’ny faritra Ihorombe ity. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto farany, nitsirika ifotony ny zava-nisy. Voamarika tamin’izany tokoa ny fisian’ity tambajotra iray ity ary dia niroso tamin’ny fisamborana ireo olona voarohirohy tamin’ny famarotana izany zava-mahadomelina izany ireo mpitandro filaminana. Niisa roa izy ireo. « Nandritra ny famotorana natao moa dia niaiky ny heloka vitany izy ireo ary nanoro ny namany sy ny toerana nisy ireo rongony », hoy ny fampitam-baovao azo. Nahatratra tany amin’ny valonjato kilao latsaka tany ho any ny totalin’ireo rongony sarona tamin’io fotoana io. Marihana, hoy ny vaovao, fa raha vao nahita ireo zandary tonga tany amin’io toerana fanitrihan’izy ireo ity zava-mahadomelina ity ireo naman’izy roa lahy, dia nitsoaka avy hatrany. Mbola mitohy moa ny fikarohana azy ireo. Fa ankoatra an’io tany Ihorombe io dia fantatra ihany koa fa nisy olona efatra voasambotra tany amin’iny distrikan’i Sambava iny noho ny resaka fidorohana sy fivarotana rongony, tao Tsaratanana sy Ambalafary, ny talata lasa teo. Rongony 18 fonosana no hita tany amin’izy ireo tamin’ny fotoana nisamborana azy. Notanana natao famotorana avokoa moa ireo voasambotra ary heverina fa hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela. Ny amin’ireo rongony tratra kosa, araka ny lalàna manan-kery dia tsy maintsy dorana sy potehina eo anatrehan’ny tompon’andraikitri-panjakana.
m.L