Nohazavain’ny zandary amin’ny antsipiriany ankehitriny ny fizotran’ny hetsika “coup d’arrêt” ary hita tao anatin’ny tatitra ny fisian’ny ben’ny tanàna sy Chef Zap izay kaorihina ankehitriny. Ny 15 jiona no tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana ary avy hatrany dia nanao fisafoana ny alan’Ambohitsy-Ifotaka. Ao no voalaza fa fametrahan’ireo dahalo ny omby avy nangalariny. Ny 16 jiona indray dia dahalo telo izay efa fanta-daza no azo sambo-belona tao Maromby, iray hafa tao Beara. Ny 17 jiona dia rongony nentina tao anaty gony 52 no sarona tao Betroka. Voasambotra tao anatin’izany ny lehilahy iray mitana basy vita gasy. Ny 20 jiona dia nahazo vaovao ny zandary, fa miafina ao Marotsiraka ny ankamaroan’ny dahalo, isan’izany Iarivolahy izay voatonona ho namono ireo miaramila roa notapahin-doha tamin’ny aprily. Io dahalo io dia voalaza fa havan’ny ben’ny tanànan’io toerana io ihany. Isan’ny karohina miaraka aminy ny dahalo antsoina hoe Revahatsy, Tsefeha, Regila ary Tsikizaha. Isan’ny karohina fatratra ihany koa i Tsimiroro izay voatondro ho namono ny « chef de poste » tao Ampamata tamin’ny desambra 2013. Manoloana an’izany rehetra izany dia miompana mankany Marontsiraka amin’izao fotoana izao ny hetsika « coup d’arrêt ». Efa nisy sahady ny ady anaty akata tao amin’io toerana io, ka nahazoana sambo-belona dahalo 12 sy omby halatra marobe. Isan’ny hita tao anatin’izany ny ody maro sy ny satrok’ilay miaramila « béret rouge” izay novonoin’ny dahalo. Nodoroina ihany koa ny trano fieren’ireo olon-dratsy. Tao anatin’izany dia hita fa marobe ny trano may tany anaty ala tany, izany dia entin’ireo olon-dratsy hamafana ny diany, ka hampanahirana ny zandary. Ao Tsivory ankehitriny ireo mpitandro filaminana ary miomana amin’ny fisamborana ny ben’ny tanana sy ny Chef Zap ary koa ireo mpiara-miombona antoka amin’ireo amin’ny asaratsiny.
D.R