- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-Divers67ha sy Besarety : Nanjaka ny hain-trano !

67ha sy Besarety : Nanjaka ny hain-trano !

Trano hazo ny ankamaroan’ilay tetsy Besarety (Sary: Kelly)
Trano hazo ny ankamaroan’ilay tetsy Besarety (Sary: Kelly)

Vao maraina dia efa niledaleda ny afo tetsy Ankasina-67ha, omaly. Trano lehibe iray izay mpivarotra ny ankamaroan’ny olona mipetraka ao, raha araka ny fantatra, no ravan’ny afo. Vokatry ny “court-circuit” raha araka ny vaovao azo momba ity hain-trano ity no nitarika ny loza. Tsy nisy olona tao an-toerana tamin’io fotoana io, fa samy namonjy ny asa fanaony avokoa dia ny varotra izany, hany ka mainka nanamora ny fiitaran’ny afo. Efa mba nanao izay ho afany ihany ny fokonolona teo amin’ny manodidina, saingy tsy voafehy intsony ny afo izay mora nahazo vahana. Ny hany azon’ny olona natao sisa dia ny naka fepetra haingana toa ny fanampiana ny mpifanolobodirindrina tamin’ilay trano may mba hiala teo an-toerana. Tombanan’ny tompon-trano sy ireo olona monina ao ho an-jatony tapitrisa ny fahavoazana tamin’ity loza ity. Ankoatra ny trano may mantsy, mbola marobe ihany koa ny entana tavela tao, mpivarotra rahateo ny maro tamin’ireo mponina. Adim-pamataranandro iray taty aorian’ny niaingan’ny afo vao tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, raha araka ny fitantaran’ny olona hatrany. Mbola omaly ihany koa no nisian’ny hain-trano tetsy Besarety-Antsahakely. Trano hazo izay tsy latsaka ny dimy, raha ny vaovao azo no ravan’ny afo. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany teo no niandoha ny afo izay tsy tena mbola fantatra mazava ny antony nahatonga azy. Amin’ny ora anoratanay dia mbola am-perinasa tanteraka ny olona sy ny mpamonjy voina. Trano hazo avokoa ireo may ary fantatra fa “court-circuit” ihany koa no nitarika ny afo. Mpivarotra sy mpanao asatànana ny ankamaroan’ny anton’asan’ireo olona monina amin’ireo trano izay nolalovan’ny afo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser