Tranga nahavalalanina ny maro sy nampihiron-koditra no niseho tany amin’ny distrikan’ Ampanihy Andrefana, ny alin’ny talata teo, tokony ho tamin’ny sivy ora, fa manamboninahitra zandary mamo tampona, « Commandant de Compagnie » teo aloha any an-toerana no nitifitra tovolahy iray 30 taona mpiasan’ny PAM. Omaly dia nitafa tamin’ny mpanao gazety nanazava ny zava-nisy ny niharam-boina. « Avy niasa alina namonjy fodiana niaraka tamin’ny motoko aho no niteny ahy ity manamboninahitra izay mpifanila vodirindrina amiko ity. Mitabataba ny motonao ka vonoy haingana, hoy izy nitrerona. Namoaka basy P.A izy avy eo tonga dia nitifitra ahy intelo. Nitsoaka aho ary mbola nenjehiny. Mamo tampona izy ka tsy hitany ny niafenako, fa raha tsy izay dia maty aho», hoy Ramanantsoa Dasylva Yannick Mahatsampo. Raha ny fitantaran’ny olona ao Ampanihy, tsy vao sambany ity manamboninahitra ity no nanao fihetsika mampihorohoro sy mihetraketraka toy izao isaky ny mamo. Araka ny vaovao voaray hatrany, rehefa nahavita ny habibiana nataony ity manamboninahitra ity, dia nitsoaka an’i Toliara, afak’omaly, ary mitady ny fomba rehetra hadaminana haingana ny raharaha ny tenany, ka miezaka mandresy lahatra an’ireo olombe mba hifampiraharaha amin’ny rain’ilay tovolahy, izay mpanao gazety ao Toliara. Eo anatrehan’ity fikasana hamono olona ity, dia nitory an’ity manamboninahitra ity ny niharam-boina sy ny rainy ary ny rafitry ny Firenena Mikambana iasany, ka efa mandeha ny famotorana ankehitriny. Manoloana an’ity raharaha ity, dia nilaza omaly naraina tao amin’ny « facebook » ny Sekretera Jeneralin’ny Zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard, fa « tsy azo ekena ny toy izao ary handraisana fepetra henjana. Mahasahia hatrany miteny ny tsy mety ataon’ny zandary, fa vonona handray andraikitra izahay, ary tsy miray tsikombakomba amin’ny ratsy ny ato aminay. »
Eric Manitrisa