- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversBakalorea 2019 Toamasina : Nahatratra 33,74% ny taham-pahafahana

Bakalorea 2019 Toamasina : Nahatratra 33,74% ny taham-pahafahana

Ny sabotsy tolakandro tamin’ny 04ora teo no natao ny ady varotry ny naoty hahafahana bakalorea 2019. Tapaka tamin’izay satria efa baiko avy tamin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony, fa 10/20 no noraisina ary nanaiky ny fandaminana ireo mpampianatra mpitsara ny laza adina miisa 180. Vokatra izay dia nahatratra 33,74% ny taham-pahafahana teto Toamasina tamin’ity taona ity. Mpianatra  8.465 tamin’ireo mpiadina bakalorea 25.087 teto amin’ny faritanin’i Toamasina no afaka tamin’ny fihodinana voalohany. Raha atao isaky ny sokajy dia toy izao ny isan’ny mpiadina afaka bakalorea; sokajy A1 miisa 475 tamin’ny mpiadina 1.193, sokajy A2 miisa 5.603 tamin’ny mpiadina 17.511, sokajy D miisa 2.240 tamin’ireo mpiadina 5.980, ary ny sokajy C tsy nisy afa-tsy 148 monja tamin’ireo mpiadina 403 tato anatin’ny faritanin’i Toamasina. Ankilan’izany dia nivoaka ihany koa nandritra ny ady varotry ny naoty teny amin’ny lycée La Salle, ny sabotsy tolakandro teo, fa misy tena kitoatoa ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ny mpianatra, satria napetraka fahatany ny isa. Misy ihany ireo taratasim-panadinan’ny mpiadina sasany notsarana fanindroany, hoy ny oniversite, saingy izay tratra ihany no nanaovana izany noho ny hamehana amin’ny famoahana ny valiny sy ny fanomanana ny fihodinana faharoan’ny bakalorea ankapobeny. Ankoatra izany ho fandaminana manomboka izao, dia tsy mamoaka lisitra intsony ny eo amin’ny foiben’ny bakalorea Toamasina, fa avy hatrany dia sekoly efatra isaky ny boriborintany no hametrahana izany dia: lycée Rabemananjara, CEG Radama I, Lycée Thomas Bévan ary CEG Mangarano. Tsy mivoaka ihany koa ny bakalorea teknika araka ny baiko ny minisitera raha tsy efa mivaly ny fihodinana faharoan’ny bakalorea ankapobeny; izay hanomboka ny 23 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao. Efa azo jerena ao anatin’ny tranonkalan’ny oniversite, “www.univ-toamasina.mg”, koa ny valin’ny bakalorea 2019.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici