- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Fiara roa may, tao anaty hain-trano

Andavamamba : Fiara roa may, tao anaty hain-trano

Niredareda ny afo, namotika ireo trano hazo am-polony maro

Nandravarava ny afo teto an-dRenivohitra nandritra iny faran’ny herinandro iny. Fiara roa sy trano iray no may, omaly alahady, tetsy Andavamamba. Ny zava-nisy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpamonjy voina dia trano biriky iray no nirehitra teny an-toerana, manoloana ny Aft, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo ho eo. Afo izay niitatra avy tamina fandoroana rantsana « cyprès » tsy lavitra teo, araka ny fanazavana azo hatrany. Noho ny toetr’andro dia vetivety dia nihanaka ny afo ary nahazo toerana fijanonan’ireo fiara amidy maromaro, tsy lavitra teo. Tsy nisy teny an-toerana moa ny tompon’ireo fiara ireo ka nampanano sarotra ny famonjena azy. Soa ihany fa nisy ny fandrasaina andraikitra avy hatrany nataon’ireo miaramila sendra nandalo, niezaka nanakisaka ireo fiara rehetra, tsy nahagoavana ny fahavoazana mialohan’ny nahatongavan’ny mpamonjy voina, araka ny angom-baovao azo. Na izany aza, ankoatr’ilay trano biriky izay fantatra fa efitra roa no may tanteraka ary tsy nisy avotra ny entana tao anatiny, dia nisy fiara tsy mataho-dalana roa ihany koa no nolelafin’ny afo sy may teny an-toerana. Tao anatin’ny fotoana fohy monja no tonga teny Andavamamba ny mpamonjy voina, izay nitondra fiarabe efatra ary minitra maromaro taorian’izay no maty tanteraka ny afo.

Ankoatran’io tetsy Andavamamba io ihany koa dia nitrangana hain-trano goavana ihany koa tetsy Anosibe Angarangarana, ny sabotsy vao mangiran-dratsy teo. Trano hazo manodidina ny 32  teo ho eo no  kila forehitra, tsy nisy azo noraisina intsony teny an-toerana. Raha ny fanazavana azo hatrany dia somary nampanano sarotra ny fifehezana ny afo teny an-toerana, na dia teo aza ny finiavana sy ny herim-pon’ireo mpamonjy voina 20 lahy tonga teny, niaraka tamin’ny fiarabe dimy. Tao anatin’ny ora efatra be izao vao voafehy tanteraka ny afo. Izany hoy izy ireo, dia noho ny fahalaviran’ny « bouche d’incendie » sy ny lalana tery. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena antony nahatonga ny loza fa raha ny angom-baovao tetsy sy teroa dia toa hoe « court-circuit ». Ankoatr’ireo mpamonjy voina moa dia tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny Jirama sy pôlisy misahana iny faritra iny. Marihana fa tamin’ireo hain-trano mahatsiravina roa ireo dia tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra saingy maro dia maro kosa ireo tra-boina sy very fananana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici