Raha nanao fanitsian-drafitra ho fanatsarana ny fitantanam-bola ny minisitera teto amintsika, dia isany ahitana “matoato” maro be ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Raha ny fanazavana mantsy izao, dia efa 800 ny diplaoma hosoka tratra tamin’ireo mpampianatra sy mpanabe eo anivon’ny minisitera, ka ireo vao raisina mpiasam-panjakana no tena nahitana izany. Maro amin’ireo mpampianatra FRAM homen’ny fanjakana fanampiana amin’ny alàlan’ny famatsiam-bolan’ny banky iraisam-pirenena izao efa voaray ho mpiasam-panjakana, no mbola mandray izany fanampiana izany hatramin’izao. Ankilan’izany, dia tsy ny lafiny ara-olombelona ihany no ahitana izany resaka “matoatoa” izany eo anivon’ny minisiteran’ ny fanabeazam-pirenena, fa hatramin’ny sekoly ihany koa ka ireo lycée sy ny Ceg dia tena itrangan’ilay sekoly “matoatoa”. Eo koa ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra Fram mba hahazoana ilay fanampiana avy amin’ny minisitera. Mazana dia fantatry ny Drenetp sy ny lehiben’ny Sisco ny fisian’izy ireny, saingy misy kopaka hisasahana ao dia samy tsy miteny amin’ny famoaham-bola ny roa tonta amin’izany. Vola amina miliara maro izany no mivoaka avy amin’ity minisitera ity isan-taona entina hamatsiana ireo “matoatoa” maro ao aminy, izay tena nirongatra nanomboka ny taona 2009. Ny fanaraha-maso ireo “matoatoa” maro be ny minisitera ireo ny fifanarahana teo amin’ny minisitera sy ny banky iraisam-pirenena ho fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny roa tonta amin’ny famatsiam-bola. Efa maro ny tratra ankehitriny ka ireo sarona dia mandoa ny vola laniny tao anatin’ny fotoana nangalarany nampiasa “matoatoa” avokoa araka ny fitakian’ny banky iraisam-pirenena.
Malala Didier